Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Loharanon'ny famindrampo sy fahasoavana

Daty
Alakamisy 08 August 2024

 "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao." — Sal. 45:6

Mofon’aina:
Na dia efa eo anatrehan' Andriamanitra aza i Jesôsy ankehitriny ka miara-mipetraka Aminy eo amin'ny seza fiandrianan'izao rehetra izao, dia tsy niova ny toetrany be famindrampo. Mbola mitsinjo ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona ilay fony be fitiavana sy mangoraka ankehitriny. Mbola mitsotra mba hitahy bebe kokoa ny vahoakany eo amin'izao tontolo izao ny tanany izay nofantsihana. (...)

Manana Mpamonjy mahery isika amin'ny fotoan-tsarotra rehetra lalovantsika. Tsy navelany ho irery isika eo am-piadiana amin'ny fakam-panahy sy ny devoly (...). Na dia tsy hitan'ny mason'ny olombelona mety maty aza Izy ankehitriny, dia afaka mandre ny feony kosa ny finoana manao hoe: "Aza matahotra fa momba anao Aho", "Izaho (..) Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay (..)." — Apôk. 1:18.

 Izay manaisotra ny fahotana ao am-pony ka manatsotra ny tanany amin'Andriamanitra amim-pitalahoana mafy dia hahazo fanampiana izay Andriamanitra irery no mahay manome azy izany. Efa naloa ny onitra nanavotana ny fanahin'ny olona mba hahatonga azy ho afaka amin'ny gadran'ny fahotana sy hahazo famelan-keloka sy fahadiovana ary ny lanitra. (...) Izay manatona matetika eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana ka manandratra vavaka mafana amin'ny fo mba hahazo fahendrena sy hery avy amin'Andriamanitra, dia hanjary mpanompon'i Kristy mavitrika sy mahasoa. Mety tsy hanan-talenta be izy, kanefa noho ny fony feno fanetren-tena sy miantehitra tanteraka amin'i Jesôsy dia afaka manao asa tsara amin'ny fitaomana fanahy ho eo amin'i Kristy. (…)

An'arivony no diso hevitra momba an' Andriamanitra sy ny toetrany. (...) Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahamarinana. Ny rariny sy ny famindram-po no mampiavaka ny seza fiandrianany. Andriamanitra fitiavana Izy, feno antra sy be famindrampo. Toy izany no anehoana Azy ao amin'ny Zanany, Ilay Mpamonjy antsika. Be fahari-po sy fandeferana Izy. Raha tahaka izany ny Andriamanitra iankohofantsika sy tiantsika hotahafina, dia mivavaka amin'Ilay Andriamanitra marina tokoa isika. 

Raha tena mpanara-dia an'i Kristy isika dia hisandratra eo anatrehan'ny Ray toy ny fofo-manitra ny fahamarinan'i Kristy, izay atafy antsika. — GAG, t. 77. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal