Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fahotan’izao tontolo izao

Daty
Alarobia 14 August 2024

 "Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika." Isa. 53:5. 

Mofon’aina:
Voafetra ihany ny fijerin'ny sasany momba ny sorom-panavotana nataon'i Jesôsy . Mihevitra izy ireo fa ampahany kely ihany amin'ny famaizan'Andriamanitra no niaretan'i Kristy. Inoany fa na dia nahatsapa ny fahatezeran'Andriamanitra aza Ilay Zanany malala dia nahita porofon'ny fankasitrahan'ny Rainy Azy tao anatin'ny fijaliany rehetra, ka ny varavaram-pasana teo anatrehany aza dia nazava sy namirapiratry ny fanantenana, ary teo Aminy mandrakariva ny porofon'ny voninahiny ho avy. Fahadisoan-kevitra lehibe izany. Ny nampahory indrindra an'i Kristy mantsy dia ny fahatsapany ny tsy fankasitrahan'ny Rainy. Kely ihany ny mety ho fahatakaran'ny olona ny halehiben'ny fahorian-tsaina naterak'izany ho Azy. 

Ho an'ny olona maro, ny nandaozan'ny Tompo ny lanitra, ny nietreny hatramin'ny fahafatesana (...) dia tsy mampihetsi-po loatra noho ny fahafafatesan'ireo maritioran'i Jesôsy. Maro mantsy no maty rehefa avy nampijalijaliana, ary ny sasany nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana koa. Inona ary no mampiavaka ny fahafatesan'i Jesôsy amin'ny an'ireo? (...) Raha fanaintainana ara-batana ihany no nampijaly an'i Kristy dia tsy ho nanaintaina mihoatra noho ny an'ireo maritiora sasany ny fahafatesany. Saingy ampahany bitika amin'ny fijaliana nanjo ny Zanaka malalan'Andriamanitra ny fanaintainana ara-batana. Nivesatra ny fahotan'izao tontolo izao Izy, ary nihatra tamin'ny ainy ny fahatezeran-dRainy teo am-piaretany ny sazin'ny fandikan-dalana. Ireo no nandratra ny fanahiny (...). Tsapan'Ilay Lehilahin'i Kalvary tsy manan-tsiny tamin'ny fomba mazava sy tamin'ny fahafenoany ny fisarahana teo amin'Andriamanitra sy ny olona, vokatry ny fahotana. Nampahory azy ny herin'ny maizina. Tsy nahita na tara-pahazavana tokana aza Izy nanazava ny hoavy (...). Ora manjombona mahatsiravina izany, niafina taminy ny tavan'ny Rainy, nanery Azy manodidina ny tafiky ny anjely ratsy, ary namesatra azy ny fahotan'izao tontolo izao; tao anatin'izany rehetra izany Izy no niloa-bava hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (...) 

Tsy misy vidiny ny ezaka hafa rehetra manoloana ity fahafoizan-tena hahazoan'ny olombelona fiainana mandrakizay ity. — GAG, t. 171.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal