"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
Efa nisy fotoana ve nanirianao hahita an'i Jesosy tamin'ny fotoana nahakivy anao? A1ao sary an-tsaina hoe ao anatin izao nofy izao ianao. "Toy ny tao anatin'ny fahakiviana lalina aho, nanakona ny tavako tamin'ny tanako, ary izao no tao an-tsaiko: Raha teto an-tany i Jesosy dia ho nanatona Azy aho, hiantoraka eo an-tongony ary hitantara Aminy ny fahoriako rehetra. Tsy hanosi-bohon-tanana ahy Izy fa hiantra ahy, dia ho tia sy hanompo Azy mandrakizay aho. Tamin'izay indrindra no nivoha ny varavarana, ary nisy olona tsara tarehy sy bikana niditra. Nijery ahy tamim-pangorahana izy ary nilaza hoe: 'maniry ny hahita an'i Jesosy ye ianao? Eto Izy ary azonao atao ny mahita Azy raha irinao. Ento izay anananao rehetra ka manaraha ahy." "Fifaliana tsy hay tononina no tsapako raha nandre izany; nangoniko ireo fananana madinika nananako sy ny zava-tsarobidy rehetra, ary nandeha nanaraka Hay mpitari-dalana ahy aho. Nentiny teo amin'ny tohatra iray miakatra sy toa marefo aho. Rehefa nanomboka niakatra ireo zana-tohatra aho, dia nanome toromarika ahy izy mba hifantohan'ny masoko eny ambony andrao ho fanina aho ka hianjera. Marobe ireo hafa izay nandeha tamin'io fiakarana sarotra io no nianjera raha tsy mbola tonga teny amin'ny farany akory. Tonga teny amin'ny zana-tohatra farany izahay nony farany ary nijoro nanoloana ny varavarana. Teo, dia nilaza tamiko ilay mpitari-dalana ahy mba hamela ireo zavatra rehetra nentiko. Napetrako tamim-pifaliana izany; nosokafany ny varavarana ary nasainy niditra aho. Vetivety teo dia nijoro teo anatrehan'i Jesosy aho. Tsy misy isalasalana fly amin'io endrika kanto io. Tsy misy manana fahatsaram-panahy sy fiandrianana mamirapiratra tahaka izany ankoatra Azy. Rehefa nibanjina ahy izy, dia fantatro avy hatrany fa fantany avokoa ireo toe-javatra teo amin'ny fiainako sy ny eritreritro rehetra ary ny fihetsehampoko. Niezaka niery ny Fijeriny aho, satria tsy nahazaka ny masony mandinika. Saingy nanatona ahy tamin-tsiky Izy, ary nametraka ny Tanany teo amin'ny lohako ka nanao hoe: 'Aza matahotra.' Nampientanentana ny foko tamin'ny fifaliana tsy mbola niainako hatrizay ny fandrenesana ny Feony mamy dia mamy. Faly loatra aho ka tsy nahaloa-bava; fifaliana tsy hay ambara no nameno ahy ka niankohoka teo an-tongony aho. Raha niankohoka teo tsy nanan-kery aho, dia hatsaran-tarehy sy voninahitra no nandalo teo imasoko, ary toy ny efa tonga tao amin'ny toerana azo antoka sy feno fiadanan'ny lanitra aho. Rehefa elaela dia niverina ny heriko ka nitsangana aho. Mbola nijery ahy hatrany ny masom-pitiavan'i Jesosy, ary nameno fifaliana ny fanahiko ny Tsikiny. Nameno ahy tamin'ny fanajana masina sy fitiavana tsy hay lazaina ny Fanatrehany. (...) Nanome ahy fanantenana (...) sy finoana io nofy io. (...) Ary nanomboka namirapiratra teo amin'ny fanahiko izay tao anatin'ny haizin'ny alina ny hatsarana sy ny fahatsoran'ny fitokiana amin'Andriamanitra." tt. 79-81. Ao anatin'ireo olona sy fahavoazana eo amin'ny fiainana, dia ilaintsika ny mifantoka amin'i Jesosy sy amin'izay asehony antsika momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Inona no fanantenana azonao raisina ho anao manokana, ankehitriny, avy *amin'izay voasoratra ao amin'ny Rom. 8:18,28?
"Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany." - Efes. 5:11
Mofon’aina:
Maro amin'ireo mitonona ho Kristianina no tahaka ny voaloboka (...) manakambana ny rantsany amin'ny fakany sy ny loto izay sendra azy eny an-dalana. Ho azy ireny izao hafatra izao: "Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehovah. Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.' - 2 Kôr. 6:17,18.
Misy fepetra tsy maintsy tanterahina raha tiana ny handray fitahiana sy voninahitra avy amin'Andriamanitra. Tsy maintsy misaraka amin'izao tontolo izao isika, ary mandà tsy hikasika izay mety hanaisotra ny fitiavantsika amm' Andriamanitra. Andriamanitra no manana ny zo voalohany sy ambony indrindra amin'ny vahoakany. Apetraho amin'Andriamanitra sy amin'ny zavatry ny lanitra ny fitiavanao. (...) Anarina isika mba tsy hikasika izay maloto, satria raha mikasika izany isika dia haloto ihany koa. (...) "Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan 'ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifànarahan 'i Kristy sy Beliala?" - and. 14,15. Irin'Andriamanitra sy i Kristy ary ny tafika any an-danitra ny hahalalan'ny olona fa raha miray amin'ny ratsy izy, dia ho ratsy ihany koa. (...)
Hita taratra eo amin'ny asantsika rehetra ny fanandramantsika ara-pivavahana. Raha miorina amin' Andriamanitra ny fanandramantsika, raha toa isika manandrana isan'andro ny herin'ilay tontolo ho avy sy manana firaisana amin'ny Fanahy, raha toa fikirintsika mafy kokoa isan'andro ilay fiainana any ambony, dia hiorina ao anatintsika ny fitsipika masina sy manandratra. Ary ho toy ny zavatra voajanahary amintsika ny mitady fahadiovana sy fahamasinana ary fisarahana amin'izao tontolo izao, toy ny anjelin'ny voninahitra izay manatanteraka ny asam-pitiavana ampanaovina azy. - RH, 2 Janoary 1900.
Aoka ny fanolorantsika tena ho an'Andriamanitra ho fitsipika velona, mifamatotra amin'ny fiainana sy fitarihana feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena. Izany no tokony ho fototry ny fisainantsika rehetra sy loharano ipoiran'ny asantsika rehetra. Hanandratra antsika ho ambonin'izao tontolo izao izany ary hampisaraka antsika amin'ny hery miasa mangina mandoto avy aminy. - RH, 2 Janoary 1900.