Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aiza Andriamanitra?

Daty
Talata 30 January 2024

Vakio ny Sal. 42:1-3; Sal. 63:1; Sal. 69:1-3 ary ny Sal. 102:1-7. Inona no miteraka alahelo be ho an'ilay mpanao Salamo?

Tsy ny fahoriana manokana sy izay iraisan'ny maro ihany no mampahory ilay mpanao Salamo fa ny toa tsy firaihan'Andriamanitra eo anatrehan'ny toe- javatra atrehin'ny mpanompony. Tahaka ny hetaheta lalina any amin'ny tany maina no fahatsapany ny tsy fanatrehan'Andriamanitra (Sal. 42:1-3; Sal. 63:1) ary koa fanaintainana mahafaty (Sal. 102:2-4). Mahatsapa ho toy ny tafasaraka amin'Andriamanitra ilay mpanao Salamo ary mampitaha ny tenany amin'ny vorona manirery. "Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tananaolo. Tsy mahita tory aho sady tahaka ny tsikirity irery eo an- tampontrano." - Sal. 102:6, 7.

Manipika ny fahatsapana ho tafasaraka amin'Andriamanitra ny firesahana momba ny tany efitra. Ny vorona "irery eo an-tampontrano" dia tsy ao amin'ny akaniny izay toerana fitsaharany. Mitalaho amin'Andriamanitra "tao amin'ny lalina" ilay mpanao Salamo, toy ny atelin'ny rano lalina sy milentika ao anatin'ny "fotaka mandrevo" izy (Sal. 69:1-3; Sal. 130:1). Maneho toe-javatra mampahory izay tsy ahafahana mandositra ireo sary ireo, ka tsy misy vahaolana afa-tsy ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra.

Vakio ny Sal. 10:12; Sal. 22:1; Sal. 27:9 ary ny Sal. 39:12. Ahoana no asetrin'ny mpanao Salamo ny toa tsy fanatrehan'Andriamanitra?

Tsara ny manamarika fa nanapa-kevitra ny tsy hangina teo anatrehan'ny fanginan'Andriamanitra ireo mpanao Salamo. Tsy azo nohozongozonina ny finoan'izy ireo ny vavaka, satria miantefa amin'ilay Andriamanitra velona sy be fahasoavana izany. Mbola eo Andriamanitra, na dia toa tsy tsapa aza ny fanatrehany. Mbola Ilay Andriamanitra izay nandre tamin'ny lasa ihany Izy; izany no mahatonga ireo mpanao Salamo matoky fa mandre azy ireo Izy ankehitriny.

Nahatonga ireo mpanao Salamo nandini-tena sy nikatsaka an'Andriamanitra tamin'ny fiaikena sy ny fangatahana feno fanetren-tena ny fotoana nanginan' Andriamanitra. Fantatr'izy ireo fa tsy hangina mandrakizay Andriamanitra. Asehon'ny Salamo fa tsy maintsy tohizana ny fifandraisana amin'Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mitranga eo amin'ny fiainana.

Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny zavatra nataon'ny mpanao Salamo teo anatrehan'izay toa fanginan'Andriamanitra? Ahoana no ataonao eo anatrehan'ny fotoana izay ahatsapanuo fa toa mangina Andriamanitra? Inona no mihazona ny finoanao ho veiona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal