Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô

Daty
Alatsinainy 12 February 2024

Vakio ny Sal. 51:1-5. Nahoana ny mpanao Salamo no mitady ny famindram-pon'Andriamanitra?

Nandoatra ny fony teo anatrehan'Andriamanitra i Davida mpanjaka ka nangataka ny hamelana ny helony raha tao anatin'ny fotoana nanjombona indrindra ara-panahy teo amin'ny fiainany izy (2 Sam. 12). Ny famelan-keloka dia fanomezana manokana atolotr'Andriamanitra noho ny fahasoavany, noho ny haben'ny fiantrany (Sal. 51:1). Miantso an'Andriamanitra mba tsy hijery azy araka izay valiny sahaza ny fahotany i Davida (Sal. 103:10) fa araka ny toetra maha-Andriamanitra Azy, dia ny famindram-po sy ny fahatokiana ary ny fiantrana (Sal. 51:1; Eks. 34:6,7).

Vakio ny Sal. 51:6-19. Ahoana ny sary anehoana ny famelan-keloka eto? Inona ny tanjon'ny famelan' Andriamanitra heloka?
Mihoatra noho ny fanambarana ara-dalàna ny tsy fananan-keloka ny famelan- keloka avy amin'Andriamanitra. Miteraka fiovana lalina izay mahatratra ny atifon'ny olombelona mihitsy izany (Sal. 51:6; Heb. 4:12). Miteraka famoronam- baovao izany (Sal. 51:10; Jao. 3:3-8). Ny matoanteny hebreo bara', izay adika hoe "foronina", dia maneho ny hery hoenti-mamorona ananan'Andriamanitra (Gen. 1:1). Andriamanitra irery no afaka bara'; Izy irery no mahay manao fanovana ifotony sy maharitra ao amin'ny fon'ny olona iray mibebaka (2 Kor. 4:6).

Mangataka ny hodiovina amin'ny hysopa i Davida (Lev. 14:2-8; Sal. 51:7). Tsapany fa mampanalavitra azy amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ny helony, tahaka ny boka izay voaroaka tsy ho ao amin'ny fiaraha-monina nandritra ny fotoana nampaloto azy (Sal. 51:11). Natahotra izy fa tsy hahaverina azy amin'ny laoniny tanteraka ny fanatitra satria tsy misy fanatitra mahavotra ny fahotan'ny fijangajangana sy ny vonoan'olona izay efa nomaniny mialoha (Eks. 21:14; Lev. 20:10).

Ny fahasoavan'Andriamanitra izay tsy misy fepetra ihany no afaka mandray ny "fo torotoro sy mangorakorak"i Davida ho fanatitra, ary koa mampihavana azy indray amin'Andriamanitra (Sal. 51:16, 17). Naniry ny hiverina eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy raha nangataka ny hodiovina amin'ny hysopa.

Raha azon'Andriamanitra natao ny namela ny helok'i Davida noho ny fijangajangany sy ny famitahany ary ny vonoan'olona nataony, dia inona ny fanantenana ho anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal