Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Antso ho amin’ny fiandrasana

Daty
Alahady 24 March 2024

Vakio ny Sal. 27:14; Sal. 37:7, 9, 34; Sal. 39:7; Sal. 40:1; Sal. 69:6; Gal, 5:5 ‘ary ny Rém. 8:18-25. Inona no angatahin'ireo andalan-teny ireo ataon'ny vahoakan’Andriamanitra?

Azo heverina fa anankiray amin'ny zavatra mampitaintaina indrindra eo amin’ny fiainana ny fiandrasana. Na iza isika na iza, na aiza na aiza onenantsika, na inona na inona toe- javatra iainantsika eo amin’ny fiainana, dia efa'nisy fotoana tsy maintsy niandrasantsika avatra iray. Manomboka amin'ny fiandrasana eo amin'ny laharana any amin'ny toeram- pivarotana Iray ka hatramin’ny fiandrasana ny tombantomban'ny mpitsabo mikasika ny aretina, dia miandry isika - zavatra izay tsy tiantsika loatra izany, sa tsy izany?

‘Ahoana ary ny amin'ny fiandrasana an'i Jehovah? Tsy ao amin'ny Salamo ihany no iresahana momba ny fiandrasana an'i Jehdvah fa saika manerana ny Baiboly. Ny faharetana, izany no teny manan-danja indrindra ao anatin‘izany rehetra izany. Ny faharetana no fanoloran-tena lehibe hoentintsika manda tsy ho resin'ny tahotry ny fahadisoam-panantenana fandrao tsy hamonjy antsika Andriamanitra. Miandry ny zanak’Andriamanitra manana fileferana, satria fantany ary azony antoka fa mahatoky ‘Andriamanitra. Ary izay miandry Azy dia afaka ny hatoky fa raha apetratsika Aminy ny too- javatra iainantsika dia mahazo antoka isika fa hataony izany mba hahasoa antsika na dia ‘sy hitantsika ho mifanaraka amin’izany aza ny toe-javatra indraindray.

Minoatra noho ny flandrasana tsotra ny fiandrasana an‘i Jehévah. Faniriana fatratra an'Andriamanitra izany, izay ampitahaina amin'ny hetaheta lalina any an-tany efitra (Sal. 63:1). Miandry fitahiana maro avy amin'i Jehovah ny mpanao Salamo, kanefa mihoatra noho ny faniriana sy ny filana rehetra eo amin’ny fiainana ny faniriany hanakaiky an’Andriamanitra.

Araka ny tenin‘i Paoly ao amin’ny andalan-teny mahagaga ao amin’ny Romanina, dia miandry ny fanavaozana ny tany Andriamanitra sy ny voary manontolo ary miandry ny fihaonana mamy eo amin'Andriamanitra sy ny olony amin'ny andro farany. Hoy izy: “Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy manity fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.” - Rom. 8:19.

Teny fikasana lehibe manao ahoana re izany!

Na dia miandry ny famonjena farany sy ny fihaonana amin'Andriamanitra aza anefa isika, eny fa na dia “miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny’ aza izao rehetra izao (Rom. 8:22), dia mbola mitoetra eo amin’ny olony ‘Andriamanitra ankehitriny, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.

Etsy andanin'izay, dia antsoina isika mba hijoro ho vavolombelon’ny draft-pamonjena (Asa. 1:4-8), izay ho tonga amin'ny fahatanterahany ao amin'ny famoronana vaovao. lo famoronana vaovao io no andrasantsika, ny fahatanterahana faratampon'ny fanantenantsika amin'ny maha-Kristianina Advantista antsika (Advantista, izay anarana misy ny hevitry ny fanantenana andrasantsika). Miandry isika, kanefa fantatsika fa tsy very ‘maina izany fiandrasana izany. Ny fahafatesan'i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny fiaviany voalohany no antoka ho antsika ny amin’ny fiaviany fanindroany.

Inona avy ireo zavatra landrasanao an’Andriamanitra amin'izao fotoana iza0? Ahoana no ianarantsika miandry amim-pinoana sy amim-pitokiana, indrindra 'ehefa tsy azontsika ny valim-bavaka nangatahina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal