Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

APOKALIPSY: NY ASAN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY ANDRO FARANY

Daty
Alahady 24 December 2023

Ireo andalana voalohany ao amin'ny Apokalipsy dia maneho amin'ny mpamaky fa mifantoka amin'ny asan'Andriamanitra io boky io.

Vakio ny Apôk. 1:1-7. Amin'ny fomba ahoana no ahitanao mazava fa ny Apokalipsy dia mifototra amin'ny asan'Andriamanitra amin' ny andro farany?

Aorian'ny fanambarana ao amin'ireo andininy voalohany fa avy amin'i Jesosy ny Apokalipsy ary Izy no ivony, ny Apôk. 1:4,5 dia maneho an' Andriamanitra Telo Izay Iray, miara-miasa ho famonjena ny olombelona. Andriamanitra Ray no llay mandrakizay, ankehitriny sy taloha ary ho avy. Voatonona koa ny Fanahy Masina izay niasa tamin-kery tamin'ireo fiangonan'ny taonjato voalohany. Manaraka izany dia ampahatsiahivin'i Jaona ny toerana misy an'i Jesôsy Kristy, ilay "vavolombelona marina", "Lahimatoa amin 'ny maty"-Apôk. 1:5, izay Tompon❞ity tany ity ara-dalana. Rava ny fikasan'i Satana hampiasa ity tany ity hanorenana ny fanjakany. Ankoatra ny fandresen' Andriamanitra an'i Satana, ny ra nalatsak'ilay Mpahary antsika dia manadio antsika ho afaka amin'ny fahamelohana sy ny henatra.

Vakio ny Apôk. 1:6 sy ny 1 Pet. 2:9. Inona ny hevitr'ireo anarana lantsoana ny voavonjy ao amin'ireo Mandininy ireo?

Ny tanjon'ny asan'Andriamanitra dia tsy ny hitondra fotsiny ireo olona an-dalam- pahaverezana ho eo amin'ny toerana azo antoka. Toloran'Andriamanitra toerana vaovao sy mendri-kaja isika satria tafaverina ao amintsika ny endrik Andriamanitra. Manjary fanjakana (mpanjaka) ireo voavonjy satria nampirasin'ny ra nalatsak'i Jesosy amin'llay Mpanjakan'izao tontolo rehetra izao. Ankehitriny, amin'ny maha- mambran'ny ankohonan'ny mpanjaka antsika dia miara-mirotsaka amin'izany ankohonana izany isika ho amin'ny asa famonjena ny olombelona hafa. Izany no mahatonga antsika ho mpisorona! Manjary mpisorona isika! Nanao ny Fiangonany ho "fanjakana" i Kristy, ary ireo mambra tsirairay ao aminy ho "mpisorona". Ny maha- mambran'ny fanjakan' Andriamanitra dia ny maha-mpisorona.

Hitantsika amin'ny Apôk. 1:7 ao fa maika ilay asa: ho avy i Jesôsy ary hitomany Azy ny firenena maro satria very izy ireo. Irin'Andriamanitra fatratra ho eo Aminy ireo izay lavitra Azy. Koa manomboka amin'ny asan'Andriamanitra ho an'ny taranak'olombelona ny bokin'ny Apokalipsy.

Tsy vitan'ny noharian'Andriamanitra fotsiny isika fa navotany koa, ary tamin'ny vidiny lafo indrindra. Nahoana no tokony hanome antsika fanantenana lehibe izany fahamarinana izany, na manao ahoana na ahoana ny toerana misy antsika ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal