Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra

Daty
Alakamisy 15 February 2024

Vakio ny Sal. 103. Ahoana no anehoana ny famindram-pon'Andriamanitra eto?

Mitanisa ireo fitahiana marobe avy amin'Andriamanitra ny Sal. 103. Ny fitahiana dia izay "rehetra nataony" (Sal. 103:2, DIEM) mba hananantsika fiainana sambatra (Sal. 103:3-6). Miorina amin'ny toetran'Andriamanitra be fahasoavana sy ny fahatokiany amin'ny fanekeny tamin'ny Isiraely ireo fitahiana ireo (Sal. 103:7-18). Jehovah dia "mahatsiaro" fa marefo sy mihelina ihany ny olombelona, ary miantra ny olony Izy (jereo ny Sal. 103:13-17).

Mihoatra noho ny asa tsotra ataon'ny saina fotsiny ny fahatsiarovana. Ahitana fanoloran-tena miseho amin'ny asa ao amin'izany: manafaka sy mamelona ny vahoakany Andriamanitra (Sal. 103:3-13). Ny sary manan-danja hita ao amin'ny Sal. 103:11-16 dia maneho ny fahalehibeazan'ny fahasoavan'Andriamanitra tsy hay faritana, izay azo ampitahaina amin'ny fidadasika tsy misy fetran'ny lanitra (Isa. 55:9). 

Ahoana àry no tokony hataon'ny olona eo anatrehan'ny fahalemem- panahin'Andriamanitra feno fitiavana?

Voalohany, misaotra Azy (Sal. 103:1,2).

Ny fitahiana ankapobeny dia takatra amin'ny maha-fanomezana tombontsoa ara-materialy sy ara-panahy ny olona iray (Gen. 49:25; Sal. 5:12). Andriamanitra no Loharanon'ny fitahiana rehetra, koa ahoana no hisaorantsika Azy? Manonona fitahiana ho an'ny olona eo amboniny ny olom-pehezina ho fisaorana na koa fiderana azy (1 Mpanj. 8:66; Jôba 29:13). Mitahy ny olona amin'ny alalan'ny fanomezana soa azy ireo Andriamanitra, ary ny olona kosa misaotra an'Andriamanitra amin'ny fiderana ny Fahatsarany; izany hoe, amin'ny fanajana Azy fatratra noho ny toetrany be fahasoavana.

Faharoa, mahatsiaro ireo Fitahiany rehetra sy ny Fanekeny (Sal. 103:2, 18- 22), tahaka ny ahatsiarovany ny toetry ny olombelona izay marefo, sy ny fanekena nifanaovany tamin'ny olony (Sal. 103:3-13). Zava-dehibe tokoa ny fahatsiarovana eo amin'ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olony. Tahaka ny ahatsiarovan'Andriamanitra ny teny fikasana nataon'ny olona no ananan'ny olony trosa amin'ny fahatsiarovana ny fahatokian'Andriamanitra sy hamaliany Azy amin'ny fitiavana sy ny fankatoavana.

Rehefa saintsainina izany dia mitombina tokoa izay ambaran'i Ellen G. White manao hoe: "Hahasoa antsika ny handany adiny iray isan'andro hieritreretana sy handinihana ny fiainan'i Kristy. Tokony horaisintsika amin'ny lafiny tsirairay izany ary avelantsika hamikitra ny toe-javatra tsirairay ny saina, indrindra ireo toe-javatra amin'ny faran'ny fiainany. Rehefa mandinika maharitra toy izany ny sorona lehibe nataony ho antsika isika, dia mihamatanjaka ny fahatokiantsika Azy, mihalehibe ny fitiavantsika, ary ho vonton'ny fanahiny lalindalina kokoa isika. Raha tiantsika ny ho voavonjy amin'ny farany, dia tsy maintsy mianatra ny leson'ny fibebahana sy ny fanetren-tena eo am- pototry ny hazo fijaliana isika."- IFM, t. 71.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal