Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FANANTENANA NY FIAVIAN’I JESÔSY TSY HO ELA

Daty
Alatsinainy 24 June 2024

Vakio ny Jao. 14:1-3 sy ny Tit. 2:11-14. Eo anatrehan'ny fihaikana amin'ny hoavy sy ny fotoan-tsarotra, nahoana ireo toko sy andininy ireo no mampahery?

Ny tenin'i Jesôsy hoe: "Aza malahelo ny fonareo", dia toky omeny fa tsy handao antsika velively Izy ary ho avy indray haka antsika hody. Tsy fonenantsika eto amin'ity tontolo ity; ho avy ny andro tsara kokoa. Toko sy andininy 1 isaky ny 25 no miresaka ny amin'ny fiverenan'ilay Tompontsika ao amin'ny Testamenta Vaovao. Rehefa manjombona ny andro ary mandrahona ny aintsika ny fampahoriana ataon'ny fanjakana-fiangonana, dia ny teny fikasana ny amin'ny fiavian'i Kristy no mameno fanantenana ny fontsika. Izany no "fanantenana mahafinaritra" namelombelona ireo vahoakan'Andriamanitra mahatoky teo amin'ireo taranaka maro nifandimby.

Vakio ny Apôk. 6:15-17 sy ny Isa. 25:8,9. Ampitahao ny fihetsik'ireo voavonjy sy ireo very izay hita ao amin'ireo andalanteny ireo. Inona no anton'ny fahasamihafan'ireo fihetsika ireo.

Tsapan'ny ratsy ny vokatra mahatsiravin'ny fahotana, fa ny marina kosa mandray ny fahasoavany mahatalanjona atolotra azy. Miteraka tahotra, fahatsiarovan-tena ho meloka, fanamelohana, ary fahaverezana mandrakizay amin'ny farany ny fikomiana amin'Andriamanitra. Ny fandraisantsika ny fahasoavany mahavonjy no mitondra ho amin'ny famelan-keloka sy ny fiadanana ary ny fifaliana mandrakizay amin'ny fiverenany be voninahitra.

Vakio ny Apôk. 15:3,4 sy ny Apôk. 19:7. Ahoana no ataon'ireo voavotra eo anatrehan'ny famonjena be voninahitra atolotra maimaimpoana amin'ny alalan'i Kristy?

"Ny hazo fijalian' i Kristy no ho fianarana sy ho anton-kiran'ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo. Ao aminl Kristy omem-boninahitra no hibanjinany Kristy voahombo. (...) Raha Ilay nahary izao tontolo rehetra izao, llay Mpandahatra ny anjaran'ny rehetra, no nanaiky ny hametraka ny voninahiny ka nanetry tena noho ny fitiavana ny olombelona, izany dia hampitolagaga mandrakariva ny tany amandanitra sy hahatonga azy hiankohoka Aminy."- HM, t. 677.

Vakio ny Apôk . 12:17; Apôk. 17:13,14 ary ny Apôk. 19:11-16. Mariho tsara ny fivoarana hita ao amin'ireo andalan-teny ireo. Inona no ambaran'izany mikasika ny ady farany eto an-tany sy ny fandresena farany azon'i Kristy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal