Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fandrao ny marina halaim-panahy

Daty
Alakamisy 01 February 2024

Vakio ny Sal. 37:1,8; Sal. 49:5-7; Sal. 94:3-7 ary ny Sal. 125:3. Inona ny tolona atrehin'ny mpanao Salamo eto?

Mitaraina noho ny fiadanan'ny ratsy fanahy sy ny fihaikana aterak'izany ho an'ny marina ireo Salamo ireo. Tsy hoe mahomby fotsiny ny ratsy fanahy, fa manao tsinontsinona an'Andriamanitra amin'ny fomba miharihary no sady mampahory ny hafa. Izao no toe-javatra maha very hevitra: raha manapaka ny tany ny "tehim-panjakan'ny ratsy fanahy" - Sal. 125:3, dia toy ny tsy mahomby kosa ny "tehim-pahamarinana" - Sal. 45:6. Raha izany, nahoana moa raha miala an-daharana ka miandany amin'ny ratsy tahaka izay ataon'ny hafa?

Vakio ny Sal. 73:1-20, 27. Inona no manampy ilay mpanao Salamo hamakivaky ny toe-java-tsarotra? Toy ny ahoana ny fiafaran'ireo izay mitoky amin'ny zava-poana? (Jereo koa ny 1 Pet. 1:17).

Raha mbola nifantoka tamin'ny fandikan-dalàna misy eto amin'izao tontolo izao ny mpanao Salamo ao amin'ny Sal. 73 dia tsy hitany ny tena zava-misy araka ny fijerin'Andriamanitra. Lehibe loatra ny olana nateraky ny fahombiazan'ny ratsy fanahy tamin'ny finoany, ary ninoany koa fa niorina tamin'ny zava-misy ny fanambarany mikasika ny tsy ilana ny finoana.

Asehon'ny Sal. 73 anefa fa "izany zavatra izany dia manahiran-tsaina ireo tsy mihevitra ny andininy voalohany amin'ity Salamo ity, izay famintinana ilay Salamo manontolo hoe: 'Endrey ny fahatsaran'Andriamanitry ny Isiraely amin'izay mahitsy fo!"- Johannes Bugenhagen, Reformation Commentary on Scripture (Downers Grove, IL: InterVarsity Press, 2018), t. 11.

Nosarihina ho amin'ny fitoerana masina izay toeran'ny fanapahan' Andriamanitra - ny sain'ilay mpanao Salamo, ary nampahatsiahivina azy tao fa ampahany kely iray amin'ny sary lehibe fotsiny ny "ankehitriny" ary tokony hihevitra ny amin'ny "farany" izy, dia ny fotoana izay hiatrehan'ny ratsy fanahy ny fitsaran'Andriamanitra. Ny fahatakaran'ilay mpanao Salamo izany fahamarinana izany tao amin'ny fitoerana masina sy ny fiaikeny ny fahadalany teo aloha dia maneho fa ny fomba fijery ara-panahy ihany no ahafahana mahatakatra ny zava-misy fa tsy ny fisainan'olombelona.

Ahoana no ampaherezan'ny teny fikasana momba ny hitsaran' Andriamanitra an'izao tontolo izao sy ny faharatsiana rehetra eo aminy anao eo anatrehan'ny faharatsiana marobe izay tsy faizina amin'izao fotoana izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal