Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiadanan’ny zaza maoty eo amin-dreniny

Daty
Alatsinainy 25 March 2024

Vakio ny Sal. 131. Inona no ampianarin'io Salamo io antsika momba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra?

Miaina eto amin'ny tontolo mampahory ny olona mahatoky ny vahoakan’ Andriamanitra, tontolo izay feno fakam-panahiy sy fitsapana ho an’ny ankamaroan'ny olona. Ny faharesen-dahatra nohavaozina ny amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy sy ny fanankinana ny fiainany amin’Andriamanitra no mampionona ny mpanao Salamo ary koa mandrisika azy hiaiky fa tsinontsinona ny fireharehany. Fitaka ny fireharehana satria mahatonga ny mpirehareha tsy hifantoka afa-tsy amin'ny tenany izany ka tsy mahita ankoatra izay izy. Manjary jamba izy ka tsy mahita ny fahambonian’Andriamanitra,

Mifanohitra amin‘izany, | manandratra ny masony amin'Andriamanitra ny marina (Sal. 123:1,2). Mahatonga azy ireo hanetry tena ny fiaikeny ny fahalehibeazan’Andriamanitra, ary koa manafaka azy amin'ny fitadiavana ny tombontsoany sy ny faniriana tsy misy heviny. Miaiky ny mpanao Salamo fa tsy mitady “izay zavatra ambony loatra" sy “izay saro-pantarina’ izy (Sal. 131:1). Asehon‘ireo fomba fiteny ampiasaina ireo fa tsy takatry ny fisainan’ny olombelona ny asan’Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao. Ny siansa méderina dia maneho amintsika fa na dia ny zavatra “tsotra indrindra” aza dia tena saro-takarina tokoa ary tsy mety ho takatry ny fisainantsika, farafahakeliny amin‘izao aloha. Izao no mahatsikaiky amin‘izany: arakaraka ny andinihantsika momba an’izao tontolo izao no maha zava-miafina kokoa izany eo anoloantsika.

Etsy andanin’izany, ny sary an’ohatra ao amit 'ny Sal. 131:2: “Tahaka ny zaza efa ‘maoty €0 amin-dreniny” dia sary manan-danja maneho olona iray mahita fladanana sy tony eo an-tsandrin’Andriamanitra. Manondro ny fifandraisam-pitiavana misy eo amin'ny zaza sy ny reniny eo amin'ny dingana samihafan'ny fiainan'ny zaza izany,

Esorin’Andriamanitra amintsika ny faniriana sy ny avonavona tsy misy heviny, ary omeny antsika ny ventin-kanina, “dia ny manao ny sitrapon'Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” - Jao. 4:34, jereo koa ny Heb. 5:12-14, Ny fitokiana tahaka izay ananan’ny Zaza resahin'ny Sal. 131 dia ny finoana matotra voazaha toetra tamin’ny alalan’ireo fitsapana maro teo amin'ny finoana ary nahitana fa mahatoky sy marina amin‘ny teniny tokoa Andriamanitra.

Ny fiadanan'ny vahoakan’Andriamanitra no ifantohan'ny mpanao Salamo amin‘ny farany. Antsoina isika mba hampiasa ny fanandramantsika niaraka tamin’Andriamanitra ho fanatanjahana ny fiangonany. Izany hoe, avy amin‘izay nianarantsika manokana mikasika ny fahatokian’Andriamanitra sy ny fahatsarany no hizarantsika amn'ny hafa izay mbola mitolona mafy amin’ny finoana noho ny antony samihafa. Mety ho eo anivon'ny fiangonana koa aza ny fijoroantsika ho vavolombelon’i Kristy; maro mantsy no mila mahalala Azy ao amin'ny fiangonana. ~

“Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka tonga tchaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihifsy hianareo."- Mat. 18:3. Inona ne ambaran'i Jesésy amintsika eto? Inona ny hevitra fonosin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal