Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 20 September 2024

 Vakio ny "Tao amin'ny fitsaran'i Pilato" (toko 77), "Kaivary" (toko 78) ary ny "Vita" (toko 79) ao amin'ny IFM. 

"Naniry mafy ny hamonjy an'i Jesôsy i Pilato. Hitany anefa fa tsy afaka nanao izany izy, raha notazoniny ihany ny toerany sy ny voninahiny. Naleony nisafidy hanao sorona ain'olona tsy manan-tsiny, toy izay ho very ny fahefany araka izao tontolo izao. Firifiry no manao sorona toy izany ny foto-pinoana mba hialana amin'ny fatiantoka na ny fahoriana. Manondro lalana iray ny feon'ny fieritreretana sy ny adidy, ary manondro lalan-kafa ny tombontsoan'ny terra. Manosika mafy ho amin'ny lalana ratsy ny riaka, koa izay manao marimaritra iraisana amin'ny ratsy dia voafaoka any anatin'ny haizina matevin'ny heloka." - IFM, t. 795.

"Teo amin'i Kristy no napetraka ny fahadisoantsika rehetra amin'ny maha-mpisolo toerana antsika sy antoka ho antsika Azy. Nisaina ho anisan'ny mpanao meloka lzy mba hahazoany manavotra antsika avy amin'ny fanamelohan'ny laiàna. Nitambesatra teo amin'ny fony ny fahadisoan'ny taranak'i Adama tsirairay. Ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny fahotana, ny fanehoany mahatahotra ny tsy fankasitrahany ny fahadisoana dia nahazendana ny fanahin'ny Zanany. Nandritra ny fiainany manontolo dia notorin'i Kristy tamin'izao tontolo izao lavo ireo vaovao mahafaly momba ny famindrampon'ny Ray sy ny fitiavany mamela heloka. Famonjena ho an'ny lohan'ny mpanota no lafin-kevitra nasehony. Nefa ankehitriny, noho ny vesatra mahatsiravin'ny heloka nentiny, dia tsy afaka mahita ny tavan'ny Ray mitory fampihavanana lzy. Ny fialan'ny tavan'Andriamanitra tsy ho hitan'ny Mpamonjy tamin'ity fotoana nampitebiteby Azy mafy indrindra ity, dia nanindrona ny fony tamin'ny alahelo izay tsy ho takatty ny olona na oviana na oviana amin'ny fomba feno. Mafy loatra io ady mihatra aman'aina niaretany io ka saika tsy reny ny fanaintainany ara-nofo." - IFM, tt. 811, 812.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra    
1. Jereo ny anasongadinan'i Ellen White (sy ny Baiboly; jereo ohatra ny Isa. 53) ny maha-zava-dehibe ny teôlôjia mikasika ny fisoloan'i Kristy antsika.

2. Nahoana no fampianaran-diso ny teôlôjia rehetra izay manamaivana ny toerana manan-danja tanan'ny fisoloana sy ny fahafatesan'i Kristy ho antsika ka nandraisany ho an'ny Tenany ny famaizana noho ny otantsika? Iza moa no "Barabasy" amin'izao androntsika izao, izay angatahin'ny olona ho solon'i Jesôsy?

3. Inona no tokony hambaran'ny tantaran'i Josefa avy any Arimatia amintsika momba ny tsy tokony hitsarana ivelany.

4. Avereno vakina ny Dan. 9:24-27. Tokony ho hainao ny manao fampianarana Baiboly mahakasika io ampahany Io amin'izay mangataka ny hanaovanao izany, nahoana? Hainao ve izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal