Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 07 June 2024

Boky iray nosoratan'i Lee Strobel mitondra ny lohateny hoe The Case for Heaven" no mifototra amin'ny hevitra manambara fa mbola velona ao anatin'ny karazam-pahatsiarovan-tena ny maty, ka ny "experiences de mort imminente (EMI)" no nampiasaina ho anisan'ny "porofo". Ohatra iray ity: "Ankizy vavy iray izay niaina ny EMI nandritra ny fandidiana fo natao taminy no nilaza fa nihaona tamin'ny anadahiny tany ankoatra, nahagaga azy izany satria tsy manana anadahy izy. Rehefa sitrana izy taty aoriana ka nitantara izany tamin-drainy dia nambaran'ity farany taminy fa nanana anadahy tokoa izy saingy maty nialoha ny nahaterahany io anadahiny io." — Lee Strobel, The Case for Heaven (Grand Rapids, MI: Zondervan Books, 2021), t. 69. Mitolona mafy anefa i Strobel mba hampifandrindra ny hevitra momba ny fiainana aorian'ny fahafatesana amin'ny fampianaran'ny Baiboly mazava fa tsy handray ny valin'asany farany ny Kristianina raha tsy amin'ny fiverenan'i Kristy.

Efa nampitandremana isika: Maro no hifanehatra amin'ny fanahin'ny demonia izay hiseho ho ray aman-dreny na namana tiana indrindra ka manambara ny fihemorana mampidi-doza indrindra. Hisarika ny fitiavantsika mamy indrindra ireo vahiny ireo ka hanao fahagagana hanohanany ny filazany. Tokony ho vonona isika hanohitra azy ireo amin'ny fahamarinana ara-Baiboly izay milaza fa ny maty dia tsy mahalala na inona na inona ary ireo izay miseho toy izany dia fanahin'ny demonia.

"Manoloana antsika indrindra izao ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany'. Ho voafitaka sy ho resy izay rehetra tsy manana ny finoana mafy orina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Miasa amin'ny fahagagana mandainga rehetra i Satana mba ahazoany manapaka ny zanak'olombelona, ary hitombo hatrany ihany ny fitaka ataony. Tsy hahavoa anefa ny tetiny raha tsy milefitra an-tsitrapo amin'ny fakam-panahy ny olona. Izay mitady amin'ny fony rehetra hahalala ny fahamarinana ka miezaka ny hanadio ny fanahiny amin'ny alalan'ny fankatoavana, ary miomana araka izay azony atao amin'izany hiatrika ny ady dia hahita fiarovana azo antoka ao amin'llay Andriamanitry ny fahamarinana. `Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao', hoy ny teny fikasan'ny Mpamonjy. Aleony mandefa ny anjely rehetra any an-danitra hiaro ny vahoakany toy izay hamela ny fanahy iray izay matoky azy ho resin'i Satana."– HM, t. 584.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra 
1. Inona avy ireo fitaomana ankolaka momba ny filalaovana angatra azon'i Satana ampiasaina hisarihana ny saina? lnona ny anjara asa tanan'ny haino vakijery?

 2. Ahoana no hizaranao ny finoana amin'ny namana 'ray izay vao namoy olon-tiana ary mino fa io olon-tiany io dia any an-danitra? Inona no azo lazaina ary inona no tsy tokony holazaina? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA -
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal