Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I JESÔSY SY NY ANKIZY

Daty
Alatsinainy 19 August 2024

Vakio ny Mar. 10:13-16. Inona no nataon'i Jesôsy tamin'ireo izay nitondra zazakely teo Aminy.

Na nirina fatratra aza ny zanaka tamin'ny andro fahiny (indrindra ny zanaka lahy teo amin'ny kolontsaina izay nanomezan-danja kokoa ny lahy), dia tsy mora ny fahaterahana sy ny fahazazana. Tsy mbola nisy ny fitsaboana môderina ka betsaka tokoa ny reny sy ny zaza maty teo am-piterahana, ary ny ankizy matin'ny aretina. Marobe ireo kolontsaina nampiasa fanafody nentin-drazana sy ody ho fiarovana ireo olona marefo ireo amin'ny herin'ny ratsy.

Na nirina aza ny zanaka dia ambany ny toerana nisy azy teo amin'ny fiarahamonina, iray laharana amin'ny andevo mihitsy (Gal. 4:1,2). Teo amin'ny tontolon'ny Grika sy ny Rômanina, ny zaza misy fahasamponana na tsy nirina dia tsy narovana, ary natsipy tany amin'ny renirano mihitsy aza. Nomen-danja mihoatra noho ny vavy ny lahy; indraindray ny zazavavy kely vao teraka no ilaozana sy avela ho faty. Ary indraindray koa misy manavotra izy ireny, kanefa mba hobeazina sy hamidy ho andevo fotsiny ihany.

Hita fa tsy nahatakatra ny fampianaran'i Jesôsy ny mpianatra ao amin'ny Mar. 9 momba ny fandraisana ny fanjakan'Andriamanitra toy ny zaza (Mar. 9:33-37). Izao izy ireo dia niteny mafy ireo izay nitondra zaza teo amin'i Jesôsy mba hotsofiny rano. Nieritreritra izy angamba fa tsy manam-potoana holanina amin'ny zavatra tsy dia misy dikany toy izany ny Tompo.

Diso hevitra izy ireo. Nahatezitra an'i Jesôsy izany. Misy fihetsika henjana vitsivitsy nasehon'i Jesôsy ao amin'ny bokin'i Marka, ary mahaliana ny manamarika fa anisan'ny nanehoan'i Jesôsy fihetsika mahery ireo izay nandrara ny zaza tsy hanatona Azy.

Nohamafisiny tsara fa tsy azon'ny mpianatra atao ny manakantsakana azy ireny. Nahoana? Satria an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra; ary tahaka ny zaza - dia araka ny toetrany sy ny fomba fijeriny - no tsy maintsy andraisantsika koa ny fanjakan'Andriamanitra. Inoana fa ny toetran'ny zaza feno fahatsorana sy matoky an'Andriamanitra no tiany nolazaina.

"Aoka ny toetra amam-panahinareo izay tsy mitovy amin'ny an'i Kristy tsy handiso ny fanehoana ny toetrany. Aza avela ho lavitra Azy noho ny fangatsiahanao sy ny hamafisam-ponao ireo madinika ireo. Aza avela hihevitra na oviana na oviana izy ireo fa toerana tsy hahafinaritra ny fanitra raha toa any ianao. Aza miresaka ny fivavahana ho toy ny zavatra izay tsy takatry ny sain'ny ankizy, na hanao fihetsika izay mampiseho fa tsy afaka hanaiky an'i Kristy eo amin'ny fahazazany izy ireo. Aza manome azy endrika diso ny amin'ny fivavahan’ i Kristy ka hilaza azy ho fivavahana mampitanondrika, ary raha manatona ny Mpamonjy izy dia tsy maintsy hialany daholo izay rehetra mahafalifaly ny fiainany."- TMF, t. 23.

Ahoana no hanehoanao amin'ny fomba tsaratsara kokoa an'i Jesôsy amin'ireo zaza rehetra manodidina anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal