Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY MISIONERA TSY NAHOMBY

Daty
Alahady 30 June 2024

Vakio ny Asa. 12:12. Ahoana no anehoana an'i Marka ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly?

Aorian'ny fikatonan'ny varavaram-pahasoavana dia hisy fotoan-tsarotra "izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany." Milazalaza ny amin'ireo loza fito farany izay harotsaka amin'ity tontolo feno faharatsiam-panahy ity ny Apôk . 16. Tahaka ireo loza izay nianjady tamin'i Egipta anefa, dia harovana tsy ho voan'izany ny vahoakan'Andriamanitra. Mariho ny teny fikasana ao amin'ny Daniela: "(...) ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky."- Dan. 12:1. Azo antoka fa ny "bokin'ny fiainana" io voalaza io (jereo ny Fil. 4:3; Apôk. 13:8; Apôk. 20:12, 15; Apôk. 22:19).Raha nitoetra ho mahatoky tamin'i Jesôsy isika, dia tsy hofafana ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarantsika (Apôk . 3:5).

Vakio ny 1 Jao. 3:1-3; Jao. 8:29 ary ny Jao. 14:30. Inona ny hany fiomanana ilaina hiatrehana ny fotoan-tsarotra izay ho avy?

Azo lazaina ho mbola tanora i Jaona Marka, ilay inoana ho nanoratra ny filazantsaran'i Marka, tamin'io tranga niseho tao amin'ny Asa. 12:12 io, tao anatin'ireo taona 40 TrK. Ambara ao amin'ny and. 12 fa zanak'ilay vehivavy antsoina hoe Maria izy. Miharihary fa olona manan-karena sy mpanohana ny fiangonana izy, ary nitarika fotoam-pivavahana tao an-tokantranony, izay asongadin'ny Asa 12. Ny tantaran'i Petera tafandositra ny tranomaizina mbamin'izay nitranga taorian'izay, sy ny fahafatesan'i Herôda mpanjaka dia maneho fifanoherana manaitra, saika mahatsikaiky mihitsy aza, eo amin'i Petera sy ity mpanjaka ity. Tsy dia mandray anjara loatra i Jaona Marka ao amin'ilay tantara, saingy ny fanononana azy eto dia mampiomana ho amin'ny fifandraisany any aoriana amin'i Barnabasy sy i Saoly.

Vakio ny Asa. 13:1-5,13. Ahoana no nampifandray an'i Jaona Marka tamin'i Saoly sy i Barnabasy? Nanao ahoana ny tohin'ny fiarahan'izy ireo?

Mitantara ny dia misionera voalohany nataon'i Saoly sy i Barnabasy ny Asa. 13, izay nanomboka teo amin'ny taona 46 TrK teo. Tsy voatonona i Jaona Marka raha tsy ao amin'ny and. 5, ka mpanampy na mpanompo no ilazana azy ao. Tsy misy filazana hafa momba azy raha tsy ao amin'ny and. 13 indray, izay mitantara fohy ny niverenany tany Jerosalema.

Tsy voalaza ny anton'io fandaozany io, tsy voaresaka na ny fahatsapany, na ny fihetseham-pony; koa maro no azo eritreretina momba ny antony nialany tamin'io asa misionera io, izay inoana fa tsy nilaozan'ny zava-doza sy ny zava- tsarotra. Hoy i Ellen G. White: "Tao no resin'ny tahotra sy ny fahakiviana i Marka, ka nisy fotoana nisalasalany tamin'ny fikasany hanolo-tena amin'ny fony manontolo ho an'ny asan'ny Tompo. Tsy zatra zava-tsarotra izy ka nahakivy azy ny loza sy ny fihafiana teny an-dalana." - VM, t. 150.

Iza no tsy efa nitakemotra teo anatrehan'ny toe-javatra iray, na nilefa mihitsy mba tsy hanao zavatra iray, indrindra amin'ny lafiny ara-panahy, eo amin'ny diantsika amin'ny maha-Kristianina antsika? Inona ny lesona noraisinao tamin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal