Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY MPITONDRA HAFATRA

Daty
Talata 02 July 2024

Vakio ny Mar. 1:1-8. Iza avy ireo "olona" voaresaka ao amin'ireo andininy ireo, ary inona no lazainy sy ataony?

Misy telo izy ireo no tena voaresaka ao: Jesôsy Kristy, Izay resahina ao amin'ny Mar. 1:1, Andriamanitra Ray (izay hita ao amin'ny and. 2), ary Jaona mpanao batisa, ilay mpitondra hafatra sy mpitoriteny, izay foto-dresaka ao amin'ireo andininy sisa manaraka.

Misy teny nalaina avy amin'ny TT ao amin'ny Mar. 1:2,3 izay ambaran'i Marka fa mitranga ao amin'ny tantara. Andininy 3 avy ao amin'ny TT no nampiarahin'i Marka ao amin'ireo andininy ireo: Eks. 23:20; Isa. 40:3, ary Mal. 3:1.

Vakio ny Eks.23:20; Isa. 40:3, ary Mal. 3:1. Inona no iraisan'ireo andininy ireo?

Miresaka momba ny anjely iray hirahin'Andriamanitra eo alohan'ny Isiraely mba hitondra azy ireo any amin'ny tany Kanàna ny Eks. 23:20. Ny Isa. 40:3 indray dia miresaka ny amin'ny fisehoan'Andriamanitra any an'efitra sy ny fanamboarana lalambe ho Azy. Ny malakia 3:1 kosa dia mikasika ny iraka iray mandeha eo alohan'ny Tompo, manamboatra ny lalany. Samy miresaka momba ny dia anankiray izy telo ireo.

Misy ifandraisany betsaka amin'ny asan'i Jaona mpanao batisa ny lahatsoratra ao amin'ny Isaia, sady mifantoka amin'ny lalan'ny Tompo ihany koa. Raha ny filazantsaran'i Marka dia misy "dia" ataon'i Jesôsy Tompo. Manamafy izany "dia" izany ny fomba fitantarana malaky ataon'ny mpanoratra. Tonga eo amin'ny hazo fijaliana sy ny nahafatesany ho sorona ho antsika ilay dia.

Maro anefa ireo zavatra tsy maintsy mitranga mialoha ny hahatongavana eo amin'ny hazo fijaliana. Vao miandoha ny dia, ary horesahin'i Marka amintsika ny mombamomba izany.

Araka ny teny ao amin'ny Mar. 1:2,3, izay avy ao amin'ny TT, dia niantso ny vahoaka ho amin'ny fibebahana, hiala amin'ny fahotana, sy hiverina amin'Andriamanitra (Mar. 1:4) i Jaona mpanao batisa. Nitafy tahaka an'i Elia mpaminany fahiny izy (ampitahao amin'ny 2 Mpanj. 1:8), ary niresaka momba Ilay ho avy aoriany, Izay lehibe noho izy, ao amin'ny Mar. 1:7,8. Ny nilazany hoe: "tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho", dia mampiseho ny toerana ambony omeny an'i Jesôsy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal