Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

" INONA NO TIANAO HATAOKO AMINAO "

Daty
Alakamisy 22 August 2024

Vakio ny Mar. 10:46-52. Nanao ahoana ny fihetsik'i Bartimeo rehefa nandalo i Jesôsy?

Hatreto, afa-tsy tamin'ny toe-javatra vitsy monja, dia nilaza tamin'ny olona i Jesôsy mba tsy hilazalaza ny amin'ny fahagagana ataony sy ny maha-Izy Azy. Ato amin'ity tantara ity, raha vao niala tao Jerikô i Jesôsy dia nisy mpangataka jamba iray teo amoron-dalana nandre fa injany i Jesôsy avy any Nazareta, ka niantsoantso hoe: "Ry Jesôsy , Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!" — Mar. 10:47. Mifanaraka tsara amin'ny maha-boky manala sarona ny tsiambaratelo ny bokin'i Marka ny nataon'ny vahoaka, izay niteny mafy ilay jamba mba hangina, kanefa sasa-poana izy ireo nampangina azy.

Tsy nanaiky i Bartimeo fa vao mainka niantsoantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko" — Mar. 10:48. Ny teniny dia nanambara ny finoana sy ny toky nananany fa i Jesôsy no Mesia ary mahay manasitrana azy. Tamin'ny andron'i Jesôsy, ny fiantsoana hoe: "Zanak'i Davida"dia mivoy hevitra roa: 1) ny fametrahana mpanjaka iray eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely (ampitahao amin'ny Isa. 11; Jer. 23:5,6; Jer. 33:15; Ezek. 34:23,24; Ezek. 37:24; Mika 5:2-4; Zak. 3:8; Zak. 6:12), ary ny hoe: 2) ho mpanasitrana sy mpandroaka demonia izany olona izany.

Dia nijanona i Jesôsy ka nampiantso ilay jamba. Misy heviny ny nanarian'ilay jamba ny lambany raha nanatona an'i Jesôsy izy. Nosokajiana ho iray laharana amin'ny mpitondratena sy ny kamboty ny jamba tamin'ny andron'i Jesôsy, dia izay ambany saranga indrindra eo amin'ny fiarahamonina. Olona mahantra sy fadiranovana indrindra izany. Ny Iamban'ity lehilahy ity dia naneho ny hany fiarovana ho azy, koa ny nanariany izany dia maneho ny finoany fa hanasitrana azy i Jesôsy.

Tsy nandiso ny fanantenany i Jesôsy. Eny tokoa, na iza na iza nanatona sy nila vonjy taminy dia nahazo izay nilainy mandrakariva. Mitovy amin'ilay fanontaniana napetrany tamin'i Jakôba sy i Jaona ao amin'ny Mar. 10:36 no napetrany taminy: "Inona no tianao hataoko aminao?" — Mar. 10:51. Tsy nihambahamba ilay jamba nangataka ny mba hampahiratina, ary dia nositranin'i Jesôsy niaraka tamin'izay izy. Dia nanaraka an'i Jesôsy teny an-dàlana izy.

lo tantara io no mamarana ilay fizarana miompana amin'ny fanofanana ny mpianatra, izay nanomboka tamin'ny fampahiratana jamba iray koa (Mar. 8:22-26). Ireo tantara roa manomboka sy mamarana ny fanofanana ireo dia manambara fa ny maha-mpianatra dia mitaky ny fananana fijery amin'ny maso vaovao, izay mety hanjavozavo amin'ny voalohany, saingy manaraka hatrany an'i Jesôsy eo amin'ny lalana izay soritany.

Tamin'ny fomba ahoana no efa niantsoantsoanao koa hoe: "Ry Jesôsy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!"? Dia inona no nitranga, ary inona ny lesona noraisinao avy amin'izany fanandramana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal