Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO TOE-JAVATRA FARANY EO AMIN'NY TANTARAN'NY TANY 

Daty
Sabotsy 15 June 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 8:32; Ezek. 20:12, 20; Apôk. 7:1, 2; Apôk. 14:1; Joe. 2:21-24; Hôs. 6:3; Jak. 5:7, 8; Apôk. 18:1-4.

Tsianjery: "Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina."- Ohab. 23:23.

Andeha atao hoe an-dalam-podiana avy any amin'ny oniversite mba hamonjy ny fotoam-pialan-tsasatry ny fahavaratra ny zanakao vavy mbola tanora, mitondra fiara izy. Raha eo am-piandrasana ny fahatongavany ianao, dia manaraka am-pitebitebena fatratra ny filazana momba ny toetry ny andro. Nampitaintaina anao ny fiovan'ny andro ho ratsy dia ratsy. Raho-mainty mitatao no eny amin'ny faravodilanitra, mitsoka mafy dia mafy ny rivotra. Misokatra ny lanitra ary mivatravatra ny orana. Tsofin'ny rivotra ny hazo ka midaraboka. Tsy ela akory dia manjary tsy azo aleha ilay lalambe mankany an-trano. Kanjo renao tamin'ny mpiara-monina anankiray fa misy lalan-kely iray azo aleha. Azon'ny fiara atao ny miala amin'ireo tapa-kazo latsaka eny amin'ny arabe. Na dia sarotra aza ny fomba ifandraisana dia afaka mandefa hafatra ho an'ilay zanakao vavy ihany ianao, izay milaza aminy an-tsipiriany ny zavatra tokony hataony mba ho tody soa any an-trano izy. Irin'i Jesôsy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny hitarika antsika hamakivaky ireo tafiotran'ny fiainana ka hody any amin'ny fonenantsika. Izao no nosoratan'i Ellen G. White: "Misy tafiotra manatona, mifofofofo aoka izany. Moa ve isika efa vonona hisetra izany?"- TFC, b. 8, t. 315.

Ny tanjon'ny fiainan'i Kristy, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty, ary ny asa fanompoana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra dia ny hahazo antoka fa ho tody soa any an-trano isika. Torolalana avy amin'Andriamanitra izay miantefa manokana amin'ny vahoakan'ny andro farany ny hafa-paminaniana ao amin'ny Daniela sy ny Apôkalipsy, manampy antsika hamakivaky ny tafiotran'ny fiainana izany, mba hahatonga antsika hahazo ny famihinana mamin'ny sandrin'Ilay Mpamonjy be fitiavana indray andro any.

Ny tanjon'ny lesona mandritra ity herinandro ity dia ny haneho ny fanambaran'ny teny faminaniana momba ireo toe-javatra mamarana ny tantaran'ny tany, ary koa ny hahita indray ny herin'i Kristy izay hitondra antsika hamakivaky ny fifanandrinana farany eto an-tany ary hitondra antsika hody. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal