Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO VAVOLOMBELONA ROA

Daty
Sabotsy 04 May 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 11:3-6; Zak. 4:14; Apôk . 12:5,6,14,15; Dan. 7:25; Isa. 54:17; Sal. 119:89; Apôk. 11:15-18. 

Tsianjery : "Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay."– Isa. 40:8


Nandritra ny taonjato maro no nandinihana ny Tenin'Andriamanitra, nisalasalana ny amin'izany ary nandavana azy. Nogiazana tany amin'ny monastera samihafa izany, nodorana ampahibemaso ary norovidrovitina. Nesoina, nampidirina am-ponja ary novonoina maritiora aza ireo izay nino izany. Na izany aza dia nandresy ny tenin'Andriamanitra.

Nanenjika ireo Kristianina mahatoky tamin'ny Baiboly ny Fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany. Nanazava ny haizina anefa ny Tenin'Andriamanitra. Tsy nanakana ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra ny fampahoriana sy ny fanenjehana. Rehefa notsaraina noho ny finoany ilay mpandika ny Baiboly tamin'ny teny anglisy antsoina hoe William Tyndale dia nanontaniana azy izay nanampy azy indrindra tamin'ny fampielezana ny Tenin'Andriamanitra. Nieritreritra ilay fanontaniana izy ary namaly hoe: "ny evekan'i Durham". Nanaitra ireo mpitsara tokoa izany valiteny izany. Nohazavain'i Tyndale fa nisy fotoana nividianan'io eveka io Baiboly dikanteny anglisy maro ka nandoroany izany ampahibemaso. Ny tsy fantatr'ilay eveka tamin'izany fotoana izany dia nanampy betsaka tamin'ny asan'ny fahamarinana izy. Novidiny tamin'ny vidiny ambony lavitra noho ny mahazatra ireo Baiboly. Tamin'ny alalan'ny vidin'izany boky marobe izany no nahafahan'i Tyndale nanonta Baiboly be lavitra noho ireo nodorana. Nihaniharina ilay fahamarinana nazera tamin'ny vovoka ka namirapiratra tamin'ny famirapiratany rehetra.

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ireo famelezana ratsy indrindra atao amin'ny Soratra Masina sy ny finoana kristianina. Nandriaka teny amin'ny lalamben'i Frantsa ny ra nandritra ny Revolisiona frantsay. Napetraka teo amin'ny toerana ampahibemaso tao Paris ny fanapahan-doha ary an'arivony maro no novonoina. Tonga fivavaham-panjakana ny ateisma (tsy finoana ny fisian'Andriamanitra). Na izany aza dia tsy azo nampanginina ny fijoroana ho vavolombelon'ny Tenin'Andriamanitra. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal