Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IZA NO IANKOHOFANTSIKA? IZA NO IANKOHOFANTSIKA?

Daty
Talata 18 June 2024

Amin'ny andro farany, dia hiseho amin'ny fomba manaitra ny fifanandrinana lehibe mahakasika ny fiankohofana. Moa ve isika miankohoka amin'ny Mpamorona, sa miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny?

Tsy misy ny eo anelanelan'ireo. Mananatra ny lehilahy sy ny vehivavy ny anjely voalohany ao amin'ny Apôk. 14, manao hoe: "(...) miankohoka eo anoloan'Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano."- and. 7. Ho fanohanana be kokoa ny antso ataon'ny lanitra, dia asehon'ilay anjely fahatelo ireo vokatra mahatsiravina ateraky ny fiankohofana amin'ny bibidia: "(...) dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra"- Ape& 14:10. Etsy ankilan'izany, ireo izay miankohoka amin'ny Mpamorona dia voalaza fa mitandrina "ny didinAndriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy."- Apôk. 14:12. Ny Famoronana no fototry ny fiankohofana marina (Apôk. 4:11). Koa satria Andriamanitra no nanao ny zavatra rehetra tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy (Efes. 3:9, NKJV), dia halan'i Satana ny Mpamorona ka nanao izay hanovana ny Sabata -ilay tsangambaton'ny Famoronana- tamin'ny alalan'ireo fahefana eto an-tany izy (Dan. 7:25). Mifantoka amin'ny fahefana ny fifanandrinana ho avy izay momba ny lalan'Andriamanitra. Raha azon'i Satana atao ny manafoana nyfiankohofana amin'ny andro Sabata dia hanambara izy fa lehibe noho ny fahefana ananan'Andriamanitra ny fahefany. Mba hahatanterahany izany dia ataony izay handresena lahatra na hanerena an'izao tontolo izao manontolo mba hanaiky ny Sabata sandoka. Na dia sarotra aza ny mahita ny fitrangan'izany, araka izay efa nomarihintsika tany aloha, dia misy fiovana lehibe eto amin'izao tontolo izao. Nasehon'ny fotoan-tsarotra nisian'ny COVID-19 antsika fa tao anatin'ny indray mipi-maso dia niova tanteraka izao tontolo izao. Na dia tsy fantatsika aza ireo tsipirian-javatra mitarika ho amin'ny mariky ny bibidia dia tsy sarotra loatra ny maka sary an-tsaina izany. Miovaova izao tontolo izao, ary eo anatrehan'ny teknolojia mahatalanjona izay misy ankehitriny, dia ho haingana mihoatra noho izay azontsika saintsainina amin'izao fotoana izao ny hisehoan'ny zavatra izay nampitandreman'ny Baiboly.

Vakio ny Apôk . 13:13-17. Inona ny famaizana manokana atao amin'ireo izay tsy mandray ny mariky ny bibidia?

Ireo izay mahatoky aminli Kristy ka tsy manaraka ny bibidia sy ny sariny dia hiatrika famaizana ara-ekonomika sy fandrahonana ho faty. Mijanona amin'ny toetrany hatrizay ny taranak'olombelona: ratsy fitondran-tena, tia fahefana fatratra ary mpampiasa herisetra. Na dia tsy fantatsika tsara aza ny fomba hisehoan'ireo toe-javatry ny andro farany dia tsy sarotra ny maka sary an-tsaina ny fanenjehana hiseho any am-parany. Nosoratana tao anatin'ny tontolon-kevitra samy hafa tanteraka amin'izany ireto tenin'i Jaona ireto, kanefa mahalaza azy tanteraka. Raha niresaka momba an'i Jesôsy i Jaona dia nanoratra fa "tsy nitady olona hanambara olona lzy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona."- Jao. 2:25. Eritrereto ny taharatsian'ny taranak'olombelona sy ny faharatsiana izay sahin'ny olona atao.

Nahoana izany no maneho fa mora tokoa ny hahatongavan'ireo toe-javatry ny andro farany? Ary ny zava-dehibe kokoa noho izany, Inona no tokony hampianarintizany zava-misy mahonena izany antsika momba ny tokony hitandremantsika ny fontsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal