Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IZA NO LEHIBE INDRINDRA?

Daty
Alarobia 14 August 2024

Vakio ny Mar. 9:30-41. Inona no mampiavaka ny filazan'i Jesôsy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray (ampitahao amin'ny Mar. 8:31)? Ary momba ny inona no niadian'ny mpianatra hevitra? Inona no nampianarin'i Jesôsy azy ireo?

Tamin'ny nilazan'i Jesôsy voalohany ny amin'ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin'ny maty dia niresaka momba ireo izay handà sy hamono Azy Izy. Ny filazana fanindroany nataony kosa dia mikasika ny fomba hamadihana Azy. Tsy notondroina izay hamadika Azy tamin'io fotoana io, saingy ny mpamaky dia efa mahalala izany satria voaresaka ao amin'ny Mar. 3:19 ny amin'i Jodasy. Naverin'i Jesôsy indray fa hovonoina Izy ary avy eo hitsangana rehefa afaka hateloana. Toa vao maika aza Iatsaka noho ny tamin'ny voalohany ny fahalianan'ny mpianatra ny amin'ireo tsipiriany momba io faminanian'i Jesôsy io. Ny vaovao tsy mahafaly rahateo tsy mba atao anton-dresaka.

Nankany avaratry ny Ranomasin'i Galilia i Jesôsy ao amin'ny Mar. 8:27, tany amin'ireo tanàna tany Kaisaria-Filipo. Namaky an'i Galilia kosa Izy ao amin'ny Mar. 9:30; ary ao amin'ny Mar. 9:33 dia tonga tao Kapernaomy Izy. Koa tsy sarotra ny maminavina ny diany avy any avaratra mankany atsimo. Niditra irery tao Kapernaomy izy, fa ny mpianatra kosa nitaredretra tany aoriany. Rehefa tonga tao an-trano i Jesôsy dia nanontany ny mpianany momba izay niadian'izy ireo hevitra teny an-dalana. Tsy nisy nahateny izy ireo; marika izany fa tsy nampahazo aina azy ireo ilay lohahevitra, tahaka ny ankizy kely tratra sy mahafantatra fa nanao hadalana. Ny amin'izay lehibe indrindra no niadian'izy ireo hevitra. Ao an-tsain'ny olona rehetra io lohahevitra io, na dia vitsy ihany aza no miaiky izany. Mifamadika tanteraka amin'izay heverin'ny olona anefa ny ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Novahan'i Jesôsy indroa miantoana izany olana izany. Voalohany, nambarany mazava fa raha misy te ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompon'izy rehetra izy. Avy eo dia naka ohatra velona i Jesôsy mba hanazavana izany. Mazava loatra fa nisy ankizy kely koa teo amin'ny manodidina teo nihaino an'i Jesôsy. Dia naka zaza iray i Jesôsy ho eo afovoan'izy ireo. lnoana fa natahotahotra ilay zaza noho izany, kanefa notrotroin'i Jesôsy izy mba hampitonena ny tahony. Dia nampianatra Izy fa izay rehetra mandray zaza dia mandray Azy, ary izay mandray Azy dia mandray ny Ray. Araka izany, na ny zaza madinika indrindra aza dia mifandray amin'Andriamanitra.

Nametraka fanontaniana momba ireo izay tsy anisan'ny vondron'ny mpianatra i Jaona, ary lesona manan-danja lehibe no nampianarin'i Jesôsy hoe: "Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika." — Mar. 9:40. Nohamafisininy Tompo fa izay manampy amin'ny asa fanompoana ataon'ny Kristianina, na dia amin'ny zavatra bitika aza, dia tsy mba ataon'ny lanitra tsinontsinona.

Inona ny fahalehibiazana araka ny Baiboly, izay mifanipaka amin'ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao? Iza amin'ireo karazana fahalehibeazana ireo no katsahinao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal