Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 28 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 1:1-22; Gen. 37:26-28; Gen. 39:2,21; Asa. 7:6; Gal. 3:16,17; Eks. 2:1-25.

Tsianjery: " Ary ny Zanak’lsiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany. Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’lsiraely ka nahafantatra azy. " – Eks. 2:23-25.

Ny bokin’ny Eksodosy dia feno fitantarana momba ireo nampahorina, ireo voailikilika, ireo nenjehina, ireo nampiasaina tsy an-drariny, ary ireo natao tsinontsinona. Araka izany, ireo olona izay mahatsiaro ho nafoin’ny rehetra ankehitriny, nohadinoina, ary andevo, dia mety hahita fanantenana ao, satria ilay Andriamanitra namonjy ny Hebreo dia afaka mamonjy azy ireo koa.

Miresaka momba ireo ady atrehintsika eo amin’ny fiainana, ny tsy rariny sy ny fitsapana izay zary tandra vadin-koditra eo amintsika, ny bokin’ny Eksodosy. Afaka mandray fampaherezana ny tsirairay rehefa mamaky ny tantaran’ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra ho an’ny vahoakany mijaly. Ren’Andriamanitra ny fitarainan’ireo nampahorina, hitany ny tolona atrehin’izy ireo, voamariny ny ranomasony, ary tonga Izy, mamonjy azy ireo amin’ny fahoriany.

Raisin’Andriamanitra ho andraikiny ny manafaka ireo izay matoky Azy. Mila manaiky amim-pinoana izay atolony antsika fotsiny isika. Koa tokony hodinihina ny bokin’ny Eksodosy, satria manondro izay nataon’i Jesosy ho antsika rehetra izany. Boky momba ny fanavotana, ny fanafahana, ary ny famonjena farany io boky io — ary antsika avokoa izany amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy sy izay nataony ho antsika.

Ao anatin’ny savorovoro sy ny haizina, raha mibanjina an’Andriamanitra isika, dia afaka mahatsapa ny fanatrehany, ny fikarakarany, ary ny fanampiany, eo am- pitarihany antsika ho any amin’ilay “Tany Nampanantenaina” mandrakizay.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal