Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 28 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 1:1-22; Gen. 37:26-28; Gen. 39:2,21; Asa. 7:6; Gal. 3:16,17; Eks. 2:1-25.

Tsianjery: " Ary ny Zanak’lsiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany. Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’lsiraely ka nahafantatra azy. " – Eks. 2:23-25.

Ny bokin’ny Eksodosy dia feno fitantarana momba ireo nampahorina, ireo voailikilika, ireo nenjehina, ireo nampiasaina tsy an-drariny, ary ireo natao tsinontsinona. Araka izany, ireo olona izay mahatsiaro ho nafoin’ny rehetra ankehitriny, nohadinoina, ary andevo, dia mety hahita fanantenana ao, satria ilay Andriamanitra namonjy ny Hebreo dia afaka mamonjy azy ireo koa.

Miresaka momba ireo ady atrehintsika eo amin’ny fiainana, ny tsy rariny sy ny fitsapana izay zary tandra vadin-koditra eo amintsika, ny bokin’ny Eksodosy. Afaka mandray fampaherezana ny tsirairay rehefa mamaky ny tantaran’ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra ho an’ny vahoakany mijaly. Ren’Andriamanitra ny fitarainan’ireo nampahorina, hitany ny tolona atrehin’izy ireo, voamariny ny ranomasony, ary tonga Izy, mamonjy azy ireo amin’ny fahoriany.

Raisin’Andriamanitra ho andraikiny ny manafaka ireo izay matoky Azy. Mila manaiky amim-pinoana izay atolony antsika fotsiny isika. Koa tokony hodinihina ny bokin’ny Eksodosy, satria manondro izay nataon’i Jesosy ho antsika rehetra izany. Boky momba ny fanavotana, ny fanafahana, ary ny famonjena farany io boky io — ary antsika avokoa izany amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy sy izay nataony ho antsika.

Ao anatin’ny savorovoro sy ny haizina, raha mibanjina an’Andriamanitra isika, dia afaka mahatsapa ny fanatrehany, ny fikarakarany, ary ny fanampiany, eo am- pitarihany antsika ho any amin’ilay “Tany Nampanantenaina” mandrakizay.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal