Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Olona mafy fo

Daty
Alarobia 02 October 2024

Tsy manaporofo ny maha-avy amin'Andriamanitra azy ny famantarana sy ny fahagagana; etsy ankilany anefa dia mampidi-doza ny fandavana izany raha toa ka avy amin'Andriamanitra.

Vakio ny Jao. 5:10-16. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny hamafin'ny fon'ireo mpitondra fivavahana manoloana an'i Jesôsy sy ny fahagagana vao nataony, hamafisam-po izay mahavariana tokoa?

Rehefa nampahafantatra ny Tenany tamin'ilay lehilahy nositraniny i Jesôsy dia nambaran-dralehilahy tamin'ireo mpitondra fivavahana avy hatrany fa i Jesôsy no nanasitrana azy. Mety hieritreritra isika fa fotoana tokony hiderana an'Andriamanitra izany. Tsy izany anefa no nataon'ireo mpitarika fa "nanenjika an'i Jesôsy [izy ireo], satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy." -Jao. 5:16.

Ao anatin'ny fahamehana tanteraka ihany vao azo natao ny nanasitrana amin'ny Sabata tamin'izany andro izany. Efa nandritra ny 38 taona no nampalemy an'io lehilahy io ka tsy maika, araka izany, ny fanasitranana azy. Ankoatra izany, inona moa no nilana ny fibaikoana azy ny mba hitondrany ny fandriany? Noheverin'ny olona fa ny olona izay nomen'Andriamanitra fahefana hanao fahagagana toy izany dia hahalala fa tsy azo atao ny mibata fandriana rehefa Sabata. Hita mazava fa nanao izay hitondrana azy ireo lalindalina kokoa ho eo amin'ny fahamarinana ara-Baiboly i Jesôsy, fa tsy hijanona eo amin'ny didy amam-pitsipik'olombelona izay manafoana ny finoana tena izy indraindray.

Inona no ampianarin'ireo tantara roa ireo momba ny mety hamafin'ny fon'olona eo amin'ny lafiny ara-panahy na dia eo anatrehan'ny porofo maro aza? (Jao. 9:1-16; Mar. 3:22,23; Mat. 12:9-14).

Nahoana ary no dia jamba tahaka izany ireo mpitondra fivavahana ireo? Ny fony feno fahalovana no anton'izany, ny finoana diso notanany momba ny Mesia izay hanafaka azy amin'ny Rômanina ary ny fitiavany fahefana sy ny tsy fahampian'ny fanoloran-tenany ho an'Andriamanitra. Ireo rehetra ireo no nahatonga azy ireo hanosi-bohon-tanana ny fahamarinana izay teo anoloany indrindra.

Vakio ny Jao. 5:38-42. Inona ny fampitandremana nataon'i Jesôsy? Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ireo teny ireo? Izany hoe, inona ao anatintsika no mety manajamba antsika tsy hahita ny fahamarinana tokony ho fantatsika sy hampiharintsika eo amin'ny fiainantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal