Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Daty
Zoma 03 April 2026

Tia antsika Andriamanitra na dia fony tsy mbola teraka akory aza isika; planiny ny hahalala antsika sy ny hahalalantsika Azy. Mitady antsika Izy, toy ny Mpiandry tsara, ary manasa antsika hitoetra ao Aminy isan'andro. Ny hany Ilaintsika dia ny mifidy ny hamaly ny antsony, ary ny hanakalo ny fahantrantsika sy ny toetra maha Laodikianina antsika amin'ireo fanomezan-tsoa avy Aminy (jereo ny Apôk. 3:18,19).

Tahaka ny fitomboana miadan'ireo sampam-boaloboka, dia mety hiadana koa ny fitomboan'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra, nefa mety hipoitra haingana vokatry ny orana izay nilainy sy nandrasany fatratra izany. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny hafainganan'ny fitomboantsika sy ny habetsaky ny voa entiny eo amin'ny flainantsika, dia ilaintsika isan'andro ny "tsiron-kazo na ny Fanahy Masina, mba hiantoka ny firaisantsika amin'i Jesosy.

"Ny mitoetra ao amin'i Kristy dia midika fandraisana mitohy ny Fanahiny, fiainana mileftra tsy misy fepetra ho amin'ny fanompoana Azy. Tsy maintsy mivoha mandrakariva ny fantsona mampitohy ny olona amin'Andriamaniny. Toy ny sampam-boaloboka misintona mandrakariva ny tsiron-kazo avy amin'ny voaloboka velona, dia toy izany koa no fokony hamikirantsika an Jesosy, sy handraisana avy Aminy, amin'ny alalan'ny finoana, ny hery sy ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahiny." - IFM, t. 730.

"Ahoana no hahatonga ny zana-kazo maina sy misaraka hiray amin'ny foto-boaloboka? Ahoana no hahatonga azy hanana anjara amin'ny aina sy ny sakafo avy amin'ilay voaloboka velona? Tsy misy afa-tsy amin'ny fikambanany amin'ny voaloboka ihany, amin'ny fananany fifandraisana ety indrindra aminy, araka izay azo atao. Mikambana tsikelikely amin'ny voaloboka velona ny mason-kazo (toy ny manao grefy), ny hoza-kazo mifandray amin'ny hoza-kazo, ny lalan-dranonkazo mifandray amin'ny lalan-dranonkazo, ka manjary mamoa tahaka ny voaloboka izy." - Ms, 67, 1897.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Diniho ny fiainanao hatrizay. Moa ve misy toe-javatra izay nahatonga anao ho tafalatsaka ao anatin'ny toe-panahin'i Laodikia? Inona kosa ny toe-javatra izay nanintona anao hanakaiky kokoa an'Andriamanitra?

2. Miresaka momba ny "fandraisana tsy tapaka ny Fanahy Masina" i Ellen G. White. Impiry ianao no mangataka ny Fanahy Masina? Inona ny fiovana mety hisy raha toa lanao mandray ny Fanahy Masina isan'andro?

3. Inona no mety hiova, eo amin'ny fiangonana, raha toa isika mangataka ny Fanahy Masina amin'ny fo mafana kokoa sy tsy tapaka?

4. Miezaha hanome valinteny mahitsy raha mandinika momba ny fifandraisanao amin'Andriamanitra ianao. Inona ny safidy tokony hataonao mba hananana fifandraisana ety Aminy, fifandraisana izay iriny saingy sakananao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal