Mitantara ny tantaran'ny Famoronana ny Gen. 1 sy 2. Namorona tontolo tsara tarehy Andriamanitra, ary tao no nametrahany an'i Adama sy i Eva, izay yam faratampony tamin'ny famoronana. Samy hafa amin'ny zavaboary hafa rehetra eto an-tany ny olona satria natao "tahaka ny endrik'Andriamanitra" - Gen. 1:27; izy ireo irery no voalaza fa nohariana araka ny endrik'Andriamanitra; tsy mba tahaka izany ny vorona na ny biby hafa. Noho izany, dia natao hiaina fiainana feno amin'ny lafiny rehetra izy ireo, natao hiaina ny fitiavana amin'ny endriny rehetra ary handeha ao anatin'ny firaisana amin'Andriamanitra.
Hitantsika ao amin'ny Gen. 2:18-23 koa fa namorona an'i Eva ho an'i Adama Andriamanitra satria, hoy izy hoe: "Tsy tsara raha irery ralehilahy" - Gen. 2:18. Hatrany am-piandohana, araka izany, dia nohariana hifandray sy hiara-miaina amin'ny hafa ny olombelona. Ampianannlireo mpahay fiarahamonina ankehitriny fa mitondra tombontsoa maro ho an'ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-tsaina ny fifandraisana amin'ny hafa, fa mahafaty kosa ny fahatsiarovan-tena ho irery.
Tsy mahagaga ary raha niloa-bava toy izao i Adama, taorian'ny namoronana an'i Eva: "Ankehitriny dia taolana avy arninby taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanafana azy." - Gen. 2:23. Ny ankohonana izay naorin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray nakamban'ny fanambadiana no andrim-piarahamonina voalohany nomen'Andriamanitra ny olombelona, mba hahafahan'izy ireo manana fifandraisana sy firaisana feno amin'ny lafiny rehetra. Tsy mahagaga koa raha iray amin'ireo tanjona lehibe indrindra kendren'i Satana mandrakariva ny handrava ireo fototra iorenan'ny fianakaviana tany am-boalohany.
Vakio ny Gen. 1:27,28; Gen. 2:16-17 ary ny Gen. 3:9. Fifandraisana toy ny ahoana no nisy teo amin'Andriamanitra sy ny olona tao amin'ny sahan'i Edena?
Nanana tombontsoa nifandray mivantana tamin'Andriamanitra i Adama sy i Eva. Voary manan-tsaina izy ireo ka afaka nihaona tamin’ Andriamanitra sy nihaino ny torolalana nomeny. Amin'ny maha mpitantana ilay saha mahafinaritra nomen'Andriamanitra azy ireo, dia nitombo tamin'ny fahalalana sy ny fahaiza-manao izy Teo am-pikarakarana ireo zava-maniry sy biby . Nanana fotoana manokana niarahana tamin'Andriamanitra koa izy ireo isan'andro, "rehefa ho hariva ny andro." - Gen. 3:8.
Ny andro Sabata manokana, dia ampahany manan-danja lehibe tao anatin'ny famoronana nataon'Andriamanitra, koa natokana ho fotoana hifandraisan'Andriamanitra akaiky dia akaiky amin'ireo zanany izany (Gen. 2:2,3; Eks. 20:8-11). Niaina fanandramana momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiahiany azy ireo amin'ny fomba manokana ireo razambentsika voalohany tamin'io andro io.
Sarotra amintsika ankehitriny, izay velona an'arivo taona taorian'i Edena, ny maka sary an-tsaina ny fiainana talohan'ny nisian'ny fahotana. Na izany aza, dia mbola maneho ny famoronana nataon'Andriamanitra tany am-boalohany ny zavaboary ankehitriny, amin'ny fomba ahoana?