Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Kor. 1:1, Gal. 1:1, Asa. 17:16-34, 1 Kor. 5:9-11, Asa. 18:4-10, 2 Kor. 2:4.
Tsianjery
"Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho." -Asa. 18:9,10.
Filazan'ilay misionera anglisy malaza antsoina hoe William Carey ny hoe: ny manamboatra kiraro no asa fivelomako, kanefa ny tena asany dia ny mamabo fanahy.
Toy izany koa i Paoly, ny manao lay no fivelomany (Asa. 18:1-3), nefa ny tena asany, mazava loatra, dia ny mamabo ny olona ho an'i Kristy.
Hojerentsika vetivety amin'ity herinandro ity ny asa fano mpoana nataon' i Paoly tao amin'ny fiangonana tany Korinto. Feno olana io fiangonana io, araka ny ho hitantsika, ary maro amin'izany no mitovy amin'izay atrehin'ny fiangonantsika ankehitriny, efa ho roa arivo taona aty aoriana. Eny tokoa, na iza na iza no efa ela tao anatin'ny fivavahana kristianina, na efa nandray anjara tamin'ny asan'ny fiangonana, dia afaka mametraka fanontaniana hoe: Efa nahita vondrona kristianina ve ianao, izay tsy manana olana mihitsy? Mazava loatra ny valiny.
Niatrika olana maro i Paoly tao Korinto, saingy ny hafatra momba ny hazo fijaliana no nentiny niatrika izany (1 Kôr. 2:2). Ny fandraisana amim-pahatokiana izany hafatra izany koa no fomba tokony hiatrehantsika ireo olantsika ankehitriny. Araka ny ho hitantsika amin'ity herinandro ity sy mandritra ity telovolana ity, dia azo ampiharina tsara amin'ny fiainantsika koa ny hafatry ny 1 sy 2 Korintiana.
*Famerenana ny lesona ny sabata 04 Jolay.