Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: TIA TSY VOZONANA ANDRIAMANITRA - Nofantsihana ho an’ny olona

Daty
Alakamisy 02 January 2025

Manasa ny rehetra hiditra amin’ny fifandraisana fitiavana Aminy Andriamanitra, saingy ireo izay manaiky ny fanasana ihany no mahazo ny valiny mandrakizay. Araka ny hitantsika tamin’ny fanoharana momba ny fampakaram-bady, dia maro amin’ireo nasain’ilay mpanjaka no “tsy nety ho avy” (Mat. 22:3, NKJV).

Araka izany, talohan’ny namantsihana Azy, dia nitaraina i Kristy hoe: “Ry Jerosalema, Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho any aminao! Impiry Aho no naniry hanangona ny zanakao tahaka ny akohovavy manangona ny zanany eo ambanin’ny elany, nefa tsy nety ianareo!” (Mat. 23:37, NKJV). Tian’i Kristy ny hanangona azy ireo, fa tsy nety izy ireo. Ny matoanteny grika iray ihany no ampiasaina eto amin’ny hoe “mila” (thelo), izay midika hoe fanirian’i Kristy ny hamonjy azy ireo sy ny tsy fitiavan’izy ireo ho voavonjy (ary mitovy amin’ilay voambolana ao amin’ny Mat. 22:3).

Na izany aza, dia mbola nankany amin’ny hazofijaliana i Kristy noho ireo olona ireo sy ho antsika. Fitiavana mahagaga! Raha tokony ho fahafatesana no mendrika noho ny fahotan’ny olombelona, dia Andriamanitra tenany (ao amin’i Kristy) no nandoa ny vidiny ary nanao lalana hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana tapaka teo an-danitra sy ny tany. Mandritra izany fotoana izany, Izy dia mbola manohy manome ny fitiavany ho antsika, na dia tsy manana adidy hanao izany afa-tsy noho ny safidiny an-tsitrapo aza Izy.

Vakio ny Jaona 10:17–18, ampitahao amin’ny Gal. 2:20. Inona no hafatra amintsika ato amin’ireo andininy ireo?

Ao amin’ny fanehoana faratampony ny fitiavan’Andriamanitra—dia ny hazofijaliana—dia hitantsika fa nanolotra ny ainy ho antsika tamin’ny sitrapony manokana i Kristy. Nataony tamin’ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tenany izany. Tsy nisy naka ny ainy taminy; natolony maimaim-poana izany, araka ny drafitra fanavotana izay nifanarahana tany an-danitra talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.

“Ny drafitra fanavotana antsika dia tsy noheverina taorian’ny fahotan’i Adama, fa efa nambarana tao amin’ny ‘zava-miafina izay efa nafenina tamin’ny fotoana mandrakizay’ (Rom. 16:25, R.V.). Izy io dia fanehoana ny foto-kevitra izay efa fototry ny seza fiandrianan’Andriamanitra hatramin’ny fotoana mandrakizay. Hatramin’ny voalohany, Andriamanitra sy Kristy dia efa nahalala ny fikomian’i Satana sy ny fahalavoan’ny olombelona tamin’ny alalan’ny fitaka nataon’ilay mpikomy. Tsy nandidy Andriamanitra ny hisian’ny ota, fa efa nahita mialoha ny fisiany, ary nanao lalana hifanarahana amin’izany loza izany. Tena lehibe ny fitiavany ny tontolo, ka nifanaiky Izy ny hanome ny Zanany Lahitokana mba ‘izay rehetra mino Azy tsy ho very, fa hanana fiainana mandrakizay’ ” (Jaona 3:16).—Ellen G. White, The Desire of Ages, p. 22.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal