Ny fanasana akanjo tsara tarehy matetika no amaritan'izao tontolo izao ny atao hoe mpanankarena. Misy oIona milaza hoe: "Miakanjo toy izao aho mba hanehoako ny maha izaho ahy." Tsy misy zava-maharitra ankoatra ny fifandraisantsika anefa any an-danitra, fa ny zavatra hafa rehetra ho levona avokoa (Mat. 6:19-21). Tokony ho voasarona ao Jesosy sy ny akanjom-pahamarinany tonga lafatra ny rnaha isika antsika.
Vakio ilay fanoharana nanazavan'i Jesôsy izany ao amin'ny Mat. 22:1-14. Inona avy ireo hafatra hitanao ao anatin'io fanoharana io?
Nantsoin'i Jesôsy hoe "ry sakaiza" ilay lehilahy tsy nanao ny akanjo tokony hanaovana, ary na voalaza aza fa tsy namaly izy, dia inoana fa nanana fifandraisana izy ireo. Tsy maintsy ho nahafantatra momba Hay akanjo io lehilahy io saingy nifidy ny tsy hanao izany. Tonga lafatra sy tsy misy tsiny ny toetran'i Jesôsy, ary atolony antsika izany ka hatafiny antsika ny "rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka"- Apôk. 19:8, "tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany"- Efes. 5:27.
Ny rongony fotsy dia "Fahamannan’ i Kristy (...), toetrany tsy misy pentina izay zaraina amin'ny alalan'ny finoana ho an'izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjin'ny tenany manokana."— HF, t. 321, ed. 2004.
Nitafy akanjo fotsy vita amin'ny hazavana malefaka i Adama sy i Eva fony tsy mbola rehefa nanota kosa izy ireo, dia nahatsiaro ho nitanjaka (Gen. 3:7) ka nanamboatra akanjo tamin'ny ravin'aviavy. Avy eo dia nosoloan'Andriamanitra akanjo hoditra (hodi-biby) izany akanjo ravin'aviavy nataony izany. Nisy sorona natao mba hahazoan'izy mivady akanjo. Toy izany koa, manaiky ny sorona nataon'i Jesôsy isika amin'ny fandraisana ny akanjom-pahamarinany. "Nitanjaka sy menatra izy ireo, ka niezaka ny hanolo flay fitafian'ny lanitra tamin'ny fanjairany ravin'aviavy ho fitafiany. (...) Tsy misy azon'olona visavisaina hanolo ny akanjon'ny tsy fananan-tsininy izay efa very. Tsy mita fitafiana amin'ny ravin'aviavy, tsy misy akanjo fanaon'ny olona eo amin'izao tontolo izao azon'ireo izay hiara-mipetraka amin'i Kristy sy ny anjely hanaovana amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ny fitafiana izay nomanin7 Kristy ihany no hahazoantsika miseho eo anatrehan'Andriamanitra. lo fitafiana io, ny akanjon'ny fahamannan'ny tenany, no atafin'i Kristy ny fanahy rehetra mibebaka sy mino Azy." — HF, t. 322, ed. 2004.
Saintsaino: Tokony hitafy isan'andro ny akanjom-pahamarinan'i Jesôsy isika. Inona no tena hevitr'izany, ary ahoana no hanaovantsika izany?