Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.

Daty
Alahady 31 May 2026

Be asa tokoa izy ny herinandro iny. Na fantany aza fa maro ny tokony hovitaina alohan'ny Sabata, dia toa lany namitana izay zavatra maika ny fotoana tokony ho an'ny zava-manan-danja, ary vetivety tsy nampoiziny dia nilentika ny masoandro. Niara-nisakafo sy nanao fanompoam-pivavahana manokana izy sy ny ankohonany ny Zoma hariva.

Saingy rehefa tonga ny marainan’ny Sabata ka nifoha izy, dia tsikariny avy hatrany ny loton'ny efitrano fandroana, ka dia nodioviny izany. Avy eo, hitany fa nanditsaka am-pandriana ny zanany lahy kely, ka nalefany tao anaty milina fanasan-damba ny lamba firakotra mbamin'ny akanjo hafa.

Teo am-panomanana ny sakafo maraina ho an'ny ankohonany izy no nahatsiaro fa tsy nisy tsindrin-tsakafo ho an'ny sakafo antoandro, koa nanao mofo akondro haingana izy. Hitany fa nila nopasohina koa ny lobaky ny vadiny hoentina any am-piangonana, dia nataony koa izany, avy eo namalona akanjo vitsivitsy ary namoaka ny fako ho any ivelany. Teo vao taitra izy. Sabata ange ny andro e — andro tiako mihoatra noho ny andro hafa rehetra! Kanefa izaho ity manao izao raharaha rehetra izao, ka nila hohadinoiko ny tens tanjon’ny Sabata — dia ny hanakaiky an'Andriamanitra.

Avy eo, nieritreritra vetivety izy, nanamarina ny fihetsika nataony - zavatra mila atao avokoa ireo. Tana izany tokoa ve? Tsapany fa nanao tahaka an'i Marta izy, "sahirana tamin'ny fanompoana be" - Lio. 10:40, nefa nanako tao an-tsainy ny tenin'i Jesôsy hoe: "maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra fray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy."– Lio. 10:41,42. Ny anjara tsara - ny mipetraka eo an-tongotr'i Jesôsy noho ny fitiavana lalina Azy —tsy rehefa Sabata ihany, fa isan'andro. Tsy nifidy izany izy tamin'io maraina io. 
Tiany Andriamanitra, nefa mora taminy ny nanadino fa nomen'i Jesôsy azy ny Sabata ho fotoana hanamafisana ny fifandraisan'izy ireo. Latsaka ny ranomasony nieritreritra izany.

Ny tanjon'io ohatra io dia tsy ny hampifantoka arnin'izay azo na tsy azo atao rehefa Sabata, fa fampahatsiahivana kosa ny antony maha zava-dehibe ny fahafantarana ireo zavatra mampihena na manimba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra, rehefa mahatsapa alahelo noho ny ota sy ny fisarahana amin'Andriamanitra ny fontsika ka miantso Azy isika, dia akaiky tokoa i Jesôsy (Sal. 34:18). Mihazona akanjo fotsy Izy eny an-tanany voamariky ny namantsihana Azy. Hitany ny ranomasom-pibebahantsika, ary manaisotra ny akanjontsika maloto Izy. Avy eo dia atafiny antsika manontolo ny akanjo madion'ny fahamarinany. Ny fahotana izay nibebahantsika dia saronany tanteraka amin'ny fahadiovany tsy misy tomika. Afaka manasa ny akanjontsika amin'ny rany isika (Apôk. 7:14).

Ahoana no anambaran'ny Isa. 64:5, Zak. 3:4, ary ny Isa. 61:10 io fahamarinana lehibe momba ny fahamarinan'i Kristy io? Nahoana isika no tokony hifikitra mafy mandrakariva amin'ilay teny fikasana eto? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal