Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.

Daty
Alahady 31 August 2025

NY BOKY SY NY RÀ

Vaklo ny Eks. 24:1-8. Inona no anjara asa tanan'ny famakiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fanatentenana ra teo amin'ny fanamafisana ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoakany?

Andriamanitry ny fifandraisana ilay Andriamanitra velona ao amin'ny Baiboly. Tsy zavatra na fandaharanasa no zava-dehibe ho an'ilay Tompontsika fa ny olona. Araka izany dia mifantoka betsaka amin'ny olona Andriamanitra, ary ny hanorina fifandraisana manokana amin'ny taranak'olombelona no tanjona fototry ny Asany. Tsy maintsy mametraka ny fifandraisana ho zava-dehibe rahateo ny Andriamanitra iray izay "fitiavana", satria ahoana no isian'ny fitiavana nefa tsy misy fifandraisana?

Hoy i Jesôsy : "Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy." Jao. 12:32. Tsy ny fitsipi-pitondrantenantsika sy ny fampianarana marina na koa ny asa mety atao ihany no mahaliana an'Andriamanitra: ny fifandraisana manokana sy ety amintsika no tena mahaliana Azy ambonin'ny zavatra rehetra. Samy mahakasika ny fifandraisana ireo tsangambaton'ny famoronana (Gen. 1-2): ny voalohany dia mahakasika ny fifandraisana mijidina izay ifandraisantsika amin'Andriamanitra (ny Sabata) ary ny faharoa indray dia mahakasika ny fifandraisana marindrano izay ifandraisan'ny samy olombelona (ny fanambadiana).

Natao hampiorina kokoa ny fifandraisana manokana nirin'Andriamanitra hananana miaraka amin'ny vahoakany ny fanamafisana ny fanekena tao Sinay. Nandritra izany fotoana manokana izany, dia indroa ny vahoaka no niredona fa hankato an'Andriamanitra amin'izay rehetra takiny. "Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataonay" hoy izy ireo. Tena vokatry ny fon'izy ireo tokoa izany, saingy tsy fantany ny tsy fahatanterahany sy ny toetrany marefo sy tsy ampy hery. Natentina teo amin'ny bokin'ny fanekena ny ra, izay nanondro fa amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy irery ihany no hahafahan'ny Isiraely manaraka ny torolalan'Andriamanitra.

Tsy mety manaiky isika fa marefo sy malemy ary mpanota. Fironana ao anatintsika izay nolovaina ny hanao ratsy. Mila fanampiana ivelan'ny tenantsika isika mba hahaizantsika manao ny tsara. Avy any ambony irery no ahazoantsika izany fanampiana izany, avy amin'ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra, avy amin'ny Teniny ary avy amin'ny Fanahy Masina. Na dia eo am-pelatanantsika aza ireo rehetra ireo, dia mbola manatona antsika amin'ny fomba mora foana ny ratsy; sa tsy izany?

Izany no mahatonga ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra ho zava-dehibe ho an'ny vahoaka tamin'izany, tao Sinay, tahaka ny maha-zava-dehibe izany ho antsika ankehitriny.

"Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataonay." - Eks. 24:3. Impiry ianao no nanao fanambarana toy izany kanefa tsy nahomby? Inona no hany vahaolana ho an'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal