Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.

Daty
Alahady 31 August 2025

NY BOKY SY NY RÀ

Vaklo ny Eks. 24:1-8. Inona no anjara asa tanan'ny famakiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fanatentenana ra teo amin'ny fanamafisana ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoakany?

Andriamanitry ny fifandraisana ilay Andriamanitra velona ao amin'ny Baiboly. Tsy zavatra na fandaharanasa no zava-dehibe ho an'ilay Tompontsika fa ny olona. Araka izany dia mifantoka betsaka amin'ny olona Andriamanitra, ary ny hanorina fifandraisana manokana amin'ny taranak'olombelona no tanjona fototry ny Asany. Tsy maintsy mametraka ny fifandraisana ho zava-dehibe rahateo ny Andriamanitra iray izay "fitiavana", satria ahoana no isian'ny fitiavana nefa tsy misy fifandraisana?

Hoy i Jesôsy : "Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy." Jao. 12:32. Tsy ny fitsipi-pitondrantenantsika sy ny fampianarana marina na koa ny asa mety atao ihany no mahaliana an'Andriamanitra: ny fifandraisana manokana sy ety amintsika no tena mahaliana Azy ambonin'ny zavatra rehetra. Samy mahakasika ny fifandraisana ireo tsangambaton'ny famoronana (Gen. 1-2): ny voalohany dia mahakasika ny fifandraisana mijidina izay ifandraisantsika amin'Andriamanitra (ny Sabata) ary ny faharoa indray dia mahakasika ny fifandraisana marindrano izay ifandraisan'ny samy olombelona (ny fanambadiana).

Natao hampiorina kokoa ny fifandraisana manokana nirin'Andriamanitra hananana miaraka amin'ny vahoakany ny fanamafisana ny fanekena tao Sinay. Nandritra izany fotoana manokana izany, dia indroa ny vahoaka no niredona fa hankato an'Andriamanitra amin'izay rehetra takiny. "Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataonay" hoy izy ireo. Tena vokatry ny fon'izy ireo tokoa izany, saingy tsy fantany ny tsy fahatanterahany sy ny toetrany marefo sy tsy ampy hery. Natentina teo amin'ny bokin'ny fanekena ny ra, izay nanondro fa amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy irery ihany no hahafahan'ny Isiraely manaraka ny torolalan'Andriamanitra.

Tsy mety manaiky isika fa marefo sy malemy ary mpanota. Fironana ao anatintsika izay nolovaina ny hanao ratsy. Mila fanampiana ivelan'ny tenantsika isika mba hahaizantsika manao ny tsara. Avy any ambony irery no ahazoantsika izany fanampiana izany, avy amin'ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra, avy amin'ny Teniny ary avy amin'ny Fanahy Masina. Na dia eo am-pelatanantsika aza ireo rehetra ireo, dia mbola manatona antsika amin'ny fomba mora foana ny ratsy; sa tsy izany?

Izany no mahatonga ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra ho zava-dehibe ho an'ny vahoaka tamin'izany, tao Sinay, tahaka ny maha-zava-dehibe izany ho antsika ankehitriny.

"Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataonay." - Eks. 24:3. Impiry ianao no nanao fanambarana toy izany kanefa tsy nahomby? Inona no hany vahaolana ho an'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal