Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 06 March 2026

"Toy ny tamin'ny andron'ny apostoly, ireo mpampianatra sandoka dia niezaka handevona ny finoana ny Soratra Masina tamin'ny lovan-tsofina sy ny filozofia, dia toy izany koa ankehitriny, miezaka izy irony mba hialantsika amin'ny Baiboly amin'ny alalan'ny ataony hoe: 'fitsikerana ambony', sy ny fampianarana momba ny evolisiona, ny fiantsoam-panahy, ny fampianarana mihambo ho mandray aingam-panahy avy any an-koatra, ny fampianarana izay milaza fa andriamanitra koa ny zava-boary sy ny olona - izany dia fanoherana ny fahamarinana, atao hahavery ny fanahy. Heverin'ny maro ho toy ny fanilo tsy mila solika ny Baiboly, satria manaraka lalana mitondra ho amin'ny fisavoritahan-tsaina sy ny fahadisoan-kevitra izy ireny. Ny asan'ny Titsikerana ambony,' dia ny mandrava sy mampihevaheva, ary mandevona ny finoana ny maha-tsindrimandrin'Andriamanitra ny Baiboly. Fandrombahana amin'ny tenin'Andriamanitra ny fahefany hitarika sy hanandratra ary hanolo-tsaina ny olombelona ny fanarahana ireny fampianaran-diso ireny.

Ampianarin'ny spiristisma ny olona maro fa ny faniriana no fanoitra rnahery indrindra, ka samy mahazo manao izay tiany hatao nyolona, ary tsy tompon'andraikitra afa-tsy ho an'ny tenany ihany ny tsirairay avy.

Handre fampianarana `manodoka' ny mpianatr'i Kristy, ary ny amin'ireny indrindra no ampitandreman'i Paoly ny mpino tany Kolosia. Tsy maintsy hifanandrina amin'ny mpanao fanazavana sandoka ny Soratra Masina izy, nefa tsy haharesy azy irony. Hataony antso avo kosa ny fahamarinana mandrakizay raketin'ny Tenin'Andriamanitra. Hifantoka eo amin'i Kristy ny masony, ary hizotra eo amin'ny lalana nosoritan'ny Mpamonjy izy, ka handa ny hevitra rehetra mifanipaka amin'ny fampianarany. Ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra ihany no hobanjininy sy hosaintsaininy. Ekeny ho feo avy any ambony miteny mivantana aminy ny Baiboly. Amin'izany no handraisany fahendrena avy amin'Andriamanitra." - VM, tt. 413, 414.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 

1. Inona no hevitr'izao: ao amin'i Kristy no "itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra" ary koa Izy no "Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra" Kol. 2:9,10? Vakio koa ny Jao. 1:1; Heb. 1:3 ary ny 1 Pet. 3:22.

2. Azo finoana tokoa fa isika rehetra dia efa nandre olona nampiasa ny Kol. 2:14-16 ho tohan-kevitra hoenti-manohitra ny Sabata andro fahafito. lnona koa ny olana hafa, ankoatra izay efa resahin'ny lesona nandritra ity herinandro ity, izay mifandraika amin'ny fampiasana ireo andalan-tSoratra Masina ireo mba hiadian-kevitra fa tsy ilaina intsony ny mitandrina ny didy fahefatra?

3. Ahoana no hataonao manoloana ireo mitompo teny fantatra fa tsy maintsy tandremantsika koa ireo lalana seremoniely? Mety ahazoana fitahiana ara-panahy na ara-pivavahana tokoa ny fitandremana ireny; inona anefa ny olana ateraky ny fiziriziriana ny amin'ny tsy maintsy hitandremana azy?

4. Nosoratan'i Ellen G. White etsy ambony fa tokony horaisintsika ho "feo avy any ambony miteny mivantana" amintsika ny Baiboly. Nahoana isika no tokony hiambina tsara amin'izay rehetra mety handemy ny finoantsika momba ny fahefana ananan'ny Soratra Masina sy ny maha-avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra izany (eny fa na ireo andalan-teny mety manohintohina antsika aza)? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal