Hoy ny fanontanian'i Joba: "Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?" - Joba 28:12. Mamaly izany i Paoly, manao hoe: ao amin'i Kristy, "Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra." Kôl. 2:3; ampitahao amin'ny 1 Kor. 1:30. Manana ny zavatra rehetra isika raha manana an'i Kristy, eny fa na ny "fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina mikasika ny antom-pisiana aza (Kôl. 2:2). Tamin'ny alalany no nanehoana ny zava-miafina mikasika an'Andriamanitra, izay mahafaoka ny drafi-pamonjena iray manontolo.
Vakio ny Kol. 2:1-7. Inona no tian'i Paoly hahatongavana raha nanoratra io epistily lo izy?
Ny teny grika paraklethösin dia midika hoe "hampiononana (Köl. 2:2, DIEM) na "hahafaka alahelo ny fon'izy ireo" (Köl. 2:2, dikanteny katolika). Tsy ny hanampy ireo mpino tany Kolosia hamantatra ny fampianaran-diso ihany no fanirian'i Paoly fa ny "ampiraisana" (sumbibasthentes) azy ireo amin'ny fitiavana kristianina. Ny filazan'i Paoly hoe: "mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy" dia manondro ny toky ananany fa hahatanteraka ny tanjona tiany hokendrena ny epistiliny.
Teo anatrehan'izany koa anefa, dia nidera azy ireo izy noho "ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy." - Kol. 2:5.
Ny teny grika taxis, izay adika hoe "filaminana", dia ampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao mba hilazana ny asa fisoronana araka ny fanaon'i Arona (Lio. 1:8; Heb. 7:11) sy i Melkizedeka (Heb. 5:6,10; Heb. 6:20; Heb. 7:11,17), saingy nampiasain'i Paoly hilazana ny filaminana ao amin'ny fiangonana izany (1 Kor. 14:40), ao anatin'izany ny tontolon-kevitra hitantsika eto. Misy fotoana isian'ny fironana hihevitra ny fandaminan'ny fiangonana ho toy ny rafitra ara-pivavahana fotsiny izay tsy misy heviny ara-teolojia.
Nikendry fatratra ny hitandroana fatratra ny filaminana tao amin'ny fiangonana i Paoly ka nanome toromarika mazava mikasika ny fitondrantena mendrika mandritra ny fanompoam-pivavahana (jereo ohatra ny 1 Kor. 11) sy ny firesahana momba ny fomba fifidianana ny loholona sy ny diakona (1 Tim. 3, Tit. 1). Tamin'ny alalan'ireo fepetra ireo no nitehirizana sy nampitana ny fahendren’Andriamanitra sy ireo fampianaran'ny Baiboly.
Vokatry ny fampianarana marina noraisin'ny Kolosianina avy tamin'ireo mpiara-miasa tamin'i Paoly, dia "tsy niovaova ny finoan'izy ireo. Tsy azo hozongozonina izany satria miorina tsara amin'ny fototra mafin'ny Baiboly. izay hiaro azy ireo, raha toa harahiny tsara, amin'ny hevi-diso novoizin'ireo mpampianatra sandoka.
Inona ny fanandramana niainanao momba ny filana "filaminana" eo amin'ny fiainanao ara-panahy?