Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 07 March 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Kol. 3:1-17; Rom. 1:18; Rom. 6:1-7; Efes. 4:22-24; Deo. 7:6-8; 1 Sam. 16:23.

Tsianjery:

"Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany." - Kôl. 3:14.

Ampirisihina ny olona ankapobeny mba tsy hifantoka loatra amin'ny zava-panahy na ny zavatra any an-danitra, satria tsy mahatsara ny fiainany eto an-tany izany. Na misy maha marina izany aza amin'ny lafiny sasany, dia misy foto-kevitra manan-danja hafa izay asongadin'i Paoly ao amin'ny Kolosiana toko faha-3: raha toa ka misaina be loatra momba ny zavatra eto an-tany isika, dia tsy ho azon'ny Tompo amplasaina amin'ny zava-panahy.

Misarika ny saintsika ho amin'ireo foto-kevitra maro avy any an-danitra, izay azo ampiharina amin'ny fiainana andavanandro i Paoly, ary ireo izay «niara-natsangana tamin'i Kristy» ihany no mahatakatra izany- Köl. 3:1. Torohevitra tsotra sy azo ampiharina tsara eto an-tany no omen'i Paoly izay hanatsara ny fifandraisantsika samy isika, ary tsy eo anivon'ny fiangonana ihany.

Hoy i Jesosy: «Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina» - Mat. 5:44,45

Toa tsy ho vita izany! Eny tokoa, raha araka ny fijerin'olombelona. Tsy maintsy maty aloha isika vao afaka mivelona marina ho an'Andriamanitra. Izany no antony tsy maintsy hifantohan'ny saintsika amin'ny zava-panahy, raha manantena ny hampiasain Andriamanitra eto an-tany isika.

Ho hitantsika amin'ity herinandro ity fa manova zavatra tokoa ny fiainana miaraka amin'i Kristy, dieny ankehitriny sy mandrakizay.

*Famerenana ny lesona ny sabata 14 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal