Ny fitoerana ao amin'i Kristy indraindray no zavatra sarotra tanterahina indrindra. Mety fantatsika tokoa fa izany no ilaintsika, saingy mipaoka antsika ny riakan'ny rotorotam-piainana, ka manjary sarotra loatra ny fahitantsika izany. Toy ny enta-mavesatra indrindra no fahitana ny fanarahana an'Andriamanitra, indrindra ho an'ireo izay mahatsapa ho teren'ny hafa hanaraka an'i Jesosy. Ny karazam-pivavahana toy izany dia mety ho toy ny asa an-terivozona, satria mifantoka amin'izay miseho ivelany fotsiny fa tsy amin'izay ao am-po.