Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.

Daty
Alarobia 10 September 2025

FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA, ARA-DRARINY

Vakio ny Eks. 32:9-29. Inona no nataon'l Mosesy teo anatrehan'ny fikasan' Andriamanitra handringana ny Isiraely?

Raha mbola teo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia nilaza Andriamanitra fa handringana ireo mpikomy Izy ary hahatonga an'i Mosesy ho firenena lehibe kosa. Tsy izany anefa no tian'i Mosesy. Nitalaho tamin'i Jehovah izy, nantitranteriny fa tsy vahoakan'i Mosesy ny Isiraelita - fa vahoakan'Andriamanitra. Tsy ny tenany, izany hoe tsy i Mosesy, no nitondra azy ireo nivoaka avy tany Egypta, fa Andriamanitra no nanao izany tamin'ny alalan'ny asa mahery nataony. Dia toy izany no nitalahoan'i Mosesy tamin Andriamanitra, ka nitakiany ireo teny fikasana nataon'Andriamanitra voalohany tamin'ireo razany. Nanao asa fanelanelanana tamin'Andriamanitra sy ny olombelona i Mosesy.

"Ary Jehôvah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony"-Eks. 32:14; taorian'izany no niverenan'i Mosesy tany amin'ny vahoaka. Tsy misy filazana fa namirapiratra ny tavany noho ny fanatrehan'ny Tompo - tahaka izay nitranga tao amin'ny Eks. 34:29,30. Azo lazaina fa naneho taratra ny fahatezeran'Andriamanitra ny tavany.

"Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tanany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra." - Eks. 32:19. Ny fanapotehana ny vato fisaka nisy ny Didy Folo dia famantarana ivelany ny fahapotehan'ny ao anatiny. Nananatra an'i Mosesy Andriamanitra noho izany, kanefa taty aoriana dia nandidy an'i Mosesy Izy mba hanamboatra vato fisaka roa ho solon "ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao" - Deo. 10:2. Andriamanitra mihitsy no naniry hanoratra indray ny didy.

Nananatra mafy an'i Arona i Mosesy noho ny nanekeny ny fitakian'ny vahoaka. "Inona no nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?" - Eks. 32:21. Niezaka nanala tsiny ny fandikan-dalàna nataony i Arona tamin'ny (1) fanomezany tsiny ny hafa, sy (2) tamin'ny alalan'ny majika: "(...) natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka"! - Eks. 32:24. Ny tena ratsy aza dia ity: nomen'Andriamanitra voninahitra lehibe i Arona, nanana tombontsoa maro izy, anisan'izany ny niakarany teny an-tendrombohitra niaraka tamin'i Mosesy sy ireo loholona 70 (Eks. 24:1).

Mampalahelo tokoa izany! Tamin'ny filazan'i Arona fa nisy fahagagana niseho, dia nantenainy ho voafitaka ny rahalahiny (mariho ny fomba itarihan'ny fahotana iray ho amin'ny fahotana iray hafa; teto amin'ity tranga ity dia nitarika ho amin'ny lainga ny fanompoan-tsampy). Kanefa tsy voafitaka i Mosesy satria hitany ny fihetsiky ny olona, izay tsy voafehiny. Niharihary ny voka-dratsin'izany, ary tsy maintsy nampitsahatra ny fikomiana avy hatrany i Mosesy.

Inona no tokony hampianarin'ity tantara ity antsika momba ny herin'ny vavaka fanelanelanana? Ho an'iza no tokony hivavahanao amin'izao fotoana izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal