Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 32:1-6; Sal. 115:4-8; Isa. 44:9,10; Rom. 1:22-27; Eks. 32:7-32; Isa. 53:4.
Tsianjery:
"Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehôvah ka nanao hoe: Indrisy! Efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako." - Eks. 32:31,32.
Efapolo andro monja no tsy teo an-tobin'ny Isiraely i Mosesy, dia inona no nitranga? Nivily niala tamin'Andriamanitra ny vahoakany, ka nivavaka tamin'ny sampy namboarin'olombelona, dia ombilahy kely volamena. Ahoana no nahavitan'izy ireo izany zavatra izany, kanefa fahagagana sy famantarana ary fanandramana maro no efa hitany?
Maro no mety ho valin'izany, ary angamba misy fahamarinany ihany. Tsy takatry ny olona ve hoe iza marina Andriamanitra? Sa hadinon'izy ireo ny fanandramana lehibe niainany niaraka Taminy noho ny faniriany feno filan'ny nofo sy feno fahotana? Tsy nankasitraka izay nataon'Andriamanitra ho azy ve izy ireo ka nataony fa efa tokony ho azy rahateo ny fitahiana rehetra? Maizina ve ny fahatakarany, izay simba noho ny fiahiahiany ny fiainany isan'andro sy ny fisainany taloha feno fahotana? Tsy nahay nankasitraka tsotra izao ny asam-pamindram-po nataon'Andriamanitra ho azy ve izy ireo? Hadinon'izy ireo vetivety teo ve ny asa mahery nataon'Andriamanitra (Sal. 106:13, 21-23)? Sa ny tsy fahombiazan'ny fitarihan'i Arona no tokony homen-tsiny amin'izany rehetra izany? "Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy." - Deo. 9:20.
Na inona na inona antony nahatonga io fihemorana mahatsiravina io, inona avy ireo lesona azontsika sintonina avy amin'izany, tsy momba ny maha-mpanota ny olombelona ihany, fa momba ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona sy ny fahasoavany, na dia eo aza ny maha-mpanota azy ireo?
*Famerenana ny lesona ny sabata 13 Septambra.