Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 06 September 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 32:1-6; Sal. 115:4-8; Isa. 44:9,10; Rom. 1:22-27; Eks. 32:7-32; Isa. 53:4.

Tsianjery:

"Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehôvah ka nanao hoe: Indrisy! Efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako." - Eks. 32:31,32.

Efapolo andro monja no tsy teo an-tobin'ny Isiraely i Mosesy, dia inona no nitranga? Nivily niala tamin'Andriamanitra ny vahoakany, ka nivavaka tamin'ny sampy namboarin'olombelona, dia ombilahy kely volamena. Ahoana no nahavitan'izy ireo izany zavatra izany, kanefa fahagagana sy famantarana ary fanandramana maro no efa hitany?

Maro no mety ho valin'izany, ary angamba misy fahamarinany ihany. Tsy takatry ny olona ve hoe iza marina Andriamanitra? Sa hadinon'izy ireo ny fanandramana lehibe niainany niaraka Taminy noho ny faniriany feno filan'ny nofo sy feno fahotana? Tsy nankasitraka izay nataon'Andriamanitra ho azy ve izy ireo ka nataony fa efa tokony ho azy rahateo ny fitahiana rehetra? Maizina ve ny fahatakarany, izay simba noho ny fiahiahiany ny fiainany isan'andro sy ny fisainany taloha feno fahotana? Tsy nahay nankasitraka tsotra izao ny asam-pamindram-po nataon'Andriamanitra ho azy ve izy ireo? Hadinon'izy ireo vetivety teo ve ny asa mahery nataon'Andriamanitra (Sal. 106:13, 21-23)? Sa ny tsy fahombiazan'ny fitarihan'i Arona no tokony homen-tsiny amin'izany rehetra izany? "Ary Jehôvah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy." - Deo. 9:20.

Na inona na inona antony nahatonga io fihemorana mahatsiravina io, inona avy ireo lesona azontsika sintonina avy amin'izany, tsy momba ny maha-mpanota ny olombelona ihany, fa momba ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona sy ny fahasoavany, na dia eo aza ny maha-mpanota azy ireo?

*Famerenana ny lesona ny sabata 13 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal