Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 11 September 2026

VM, toko 32, "Fiangonana malala-tanana".

"Izay manana ny fony feno ny fitiavan'i Kristy, dia hanaraka ny ohatr'llay nanjary mahantra, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. Ny vola, ny fotoana, ny hery miasa mangina dia samy fanomezana noraisiny avy eo am-pelatanan'Andriamanitra ary tsy hisy vidiny izany raha tsy ampiasaina ho fitaovana hoenti-mampandroso ny asan'ny Filazantsara. Toy izany ny tao amin'ny fiangonana voalohany; ary rehefa hita ao amin'ny fiangonana ankehitriny fa nanala ny fitiavany tsy ho eo amin'ny zavatra eo amin'izao tontolo izao ny mambra noho ny herin'ny Fanahy, ka sitrapony ny hanao fahafoizan-tena mba hahazoan'ireo mpiara-belona aminy mandre ny Filazantsara, amin'izay dia hanan-kery indrindra amin'ny mpihaino ireo fahamarinana notorina." - VM, tt. 65,66.

"Tsy mila ny fanatitsika ny Tompo. Tsy afaka mampanan-karena Azy amin'ny alalan'ny fanomezana atolotsika Azy isika. Hoy ny mpanao Salamo: 'Fa avy Aminao ny zavatra rehetra, ary avy Aminao ihany no nanomezanay Anao.' - 1 Tant. 29:14. Avelan'Andriamanitra haneho ny fankasitrahantsika ny fahatsarany anefa isika, amin'ny alalan'ny ezaka feno fahafoizan-tena, ka hampita izany fahatsarany izany amin'ny hafa. lo no fomba tokana ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Tsy nisy fomba hafa nomeny ankoatra io." - TFM, t. 16.

"Akory ny halehiben'ny fanomezana natolotr'Andriamanitra ny olombelona! Manao ahoana loatra izao Andriamanitsika izao, izay nanao izany! Tampim-pahafoizana tsy manan-tsahala no nanomezany, mba hahafahany mamonjy ny zanak'olombelona mpikomy sy hitarika azy ireo hahita ny tanjony sy hahalala ny fitiavany. Tianao ve ny haneho amin'ny alalan'ny fanomezanao sy ny fanatitra ataonao fa tsy misy zavatra tsara loatra ka tsy tokony hatolotra Azy, Izay nanome 'ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay?" - RH, 15 Mey 1900.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino lalina kokoa ny 2 Kor. 8:9. Nahoana no tena zava-dehibe ny ohatra nomen'l Jesôsy raha ny momba ny fitantanam-pananana no resahina?

2. Ny Jao. 3:16 dia maneho fa ny fanomezana no fitenin'ny lanitra. Vakio ny Jao. 15:13; Efes. 5:2,25; Gal. 2:19,20; ary ny 1 Jao. 3:16. Inona no iraisan'ireo andalan-teny ireo amin'ny Jao. 3:16, ary inona ny hafatra azontsika raisina avy amin'izany?

3. Araka ny voalaza ao amin'ny 2 Kor. 8-9, inona avy ireo tombontsoa manokana azo vokatry ny fanomezana?

4. Ankoatra ny fanaovana fanatitra ara-drafitra, inona avy ireo zavatra hafa azonao atao mba hanahafanao ny ohatra nasehon'i Jesôsy ny amin'ny fahafoizan-tena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal