Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.

Daty
Talata 08 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 9:7. Inona no lazain'io andininy io momba ny fanolorana fanatitra?

Efa talohan'ny Fahalavoana ny fahatapahan-kevitr'Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao. Drafitra hatry ny ela ny fahatongavan'i Kristy ho faty ho antsika (Apôk. 13:8). Tsy nanapa-kevitra tampoka momba izany tsy akory Andriamanitra. Fikasany ny hanolotra ny Tenany tamin'ny alalan'i Jesôsy. Ao amin'ny 2 Kor. 8 sy 9 dia foto-kevitra vitra ara-teolojia ilaina momba ny fanomezana ny fanaovana drafitra. Azo jerena amin'ny fomba roa izany farafahakeliny:

Voalohany, mitaky fanapahan-kevitra mlaloha ny fanaovana drafitra. Hoy i Paoly: «Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy» - 2 Kor. 9:7. Ny teny grika proaireō no nadika hoe «iniana». Teny natambatra io matoanteny io. Ny hoe pro dia midika hoe «mialoha», ary ny aireō kosa, ato anatin'ity tontolon-kevitra ity, dia midika hoe «manapa-kevitra». Noho izany, ny proaireð dia manondro fanapahan-kevitra natao mialoha. Ary koa, ny fanombohan'i Paoly ny fanambarany amin'ny hoe «aoka ny olona rehetra samy (...)» dia manondro fa tsy hitovy ho an'ny rehetra ny vola homena. Ny tiany hambara fotsiny dia izao: na inona na inona fahatapahan-kevitry ny olona fa homeny, dia tokony hataony amim-pisainana tsara izany. Izay inoany fa mety indrindra no tokony ho habetsaky ny homeny.

Faharoa, ny fanaovana drafitra dia ahitana ny foto-kevitry ny fifandanjana. «Araka ny zakany» no nanomezan'ireo Makedonianina hoy i Paoly (2 Kor. 8:3). Avy eo, nampita io foto-kevitra io tamin'ny Korintianina koa izy. Rehefa nampirisika azy ireo hamita ny asa efa nekeny izy, dia nanasa azy ireo hanatanteraka izany tetikasa izany amin'ny fampiasana izay ananany (2 Kor. 8:11). Nofaranany izany tamin'ny filazany fa ny fanatitra dia «araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany» - 2 Kor. 8:12. Efa nofaritan'ny Baiboly ny fahafolonkarena, dia ny hoe folo isan-jaton'ny vola miditra aintsika (10%); fa tsy mihatra amin'ny fanatitra kosa izany. «Samia manao araka izay ninian'ny fony avy» - 2 Kor. 9:7, amin'ny fanomezana isan-jato mifandanja amin'izay ananantsika. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny tsirairay no manapa-kevitra hoe ampahany manao ahoana amin'ny fidiram-bolany no hatolony ho fanatitra. Tsy vita izany raha tsy misy fanaovana drafitra.

Manao ahoana ny fahatokianao amin'ny famerenana ny ampahafolony sy ny fanatitra, na manankarena ianao na mahantra? Inona no fialan-tsiny ataonao rehefa tsy omenao izany nefa fantatrao fa afaka manao mihoatra noho izany ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal