Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.

Daty
Alarobia 09 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 8:1-5. Inona no mety ho antony nahatonga ny Makedonianina ho feno fahazotoana hanolotra ny fanatiny tamim-pahalalahan-tanana toy Izany?

Azo hazavaina amin'ny fomba maro ny toe-panahy tsara nananan'ny Makedoniana:

  • Voalohany, nanome tamim-pifaliana izy ireo (2 Kor. 8:2). Hoy i Paoly: «fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny haren'ny hitsim-pony [na fahafoizany).» - 2 Kor. 8:2 (jereo ny naoty eny ambany). Ary nolazainy taty aoriana fa: «ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra» - 2 Kor. 9:7. Ny teny grika nadika hoe «amin'ny fifaliana» dia eto ihany no ahitana azy ao amin'ny TV. Misy teny iray fototra amin'io teny io koa hita any an-kafa: «izay mamindra fo dia aoka ho amin'ny fifaliana» - Rôm. 12:8. Hita any amin'ny lahatsoratra hafa ivelan'ny Baiboly koa ireo teny ireo, ka fifaliana sy fahasambarana no heviny. Ao amin'ny 2 Kor. 9:7, ny hoe mpanome amin'ny fifaliana dia midika hoe manome tsy amim-pisalasalana.
  • Faharoa, nanome tamim-pahalalahan-tanana izy ireo (2 Kor. 8:2). Talohan'ny nilazan'i Paoly momba ny fahalalahan-tanan'ny Makedonianina, dia niresaka momba ny «hamafin'ny fahantrany» izy. Ny teny hoe «fahafoizana» (amin'ny teny grika, haplotētos) dia voalaza indroa koa ao amin'ny 2 Kor. 8 sy 9. Hoy i Paoly: «hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo ka handroso amin'ny hitsim-po [na fahafoizana]» - 2 Kor. 9:11; izany hoe omena isika mba hahafahantsika manome avy eo. Hoy izy ao amin'ny and. 13: «fahazotoanareo amin'ny fiantrana» - 2 Kor. 9:13. Ato amin'io andalan-teny io, ny fahalalahan-tanana dia fomba iray anambarana ny filazantsaran'i Kristy.
  • Fahatelo, nanome «araka ny zakany» Izy ireo (2 Kor. 8:3). Midika izany fa nanome an-tsitrapo izy ireo. Vao mainka mendri-piderana izany rehefa hita fa tsy avy amin'ny ambim-bavany no nanomezan'izy ireo, fa voafetra dia voafetra mantsy ny fananany. Nampiasain'i Paoly koa io hevitra io hanehoana ny fahavononan'i Titosy hamangy ny Korintianina. Nankany Korinto an-tsitrapo izy (2 Kor. 8:17).
  • Fahefatra, nanome Izy ireo tamin'ny fahatsapana fa tombontsoa manokana ny manome (2 Kor. 8:4). Hita taratra io toe-panahy io amin'ny fangatahan'ny Makedonianina handray anjara amin'ny famoriam-bola. «Sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona masina izany» - 2 Kor. 8:4.
  • Farany, nandray anjara tamin'ny famoriam-bola izy ireo ho toy ny fanehoana fanoloran-tena tanteraka (2 Kor. 8:5). Hoy i Paoly: «Ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra» - 2 Kor. 8:5. Ny fanoloran-tena ho an'ny Tompo dia miteraka fanoloran-tena ho an'ny hafa. Mihoatra noho ny fanampiana ara-bola fotsiny no nataon'ny Makedonianina ho fampandrosoana ny iraka. Izany hoe, ny fanomezana sy ny fahalalahan-tanana dia tsy voafetra amin'ny resa-bola irery ihany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal