Rehefa mieritreritra mamba ireo toe-java-tsarotra sy fahavoazana ao amin'ny Baiboly isika, dia azo heverina fa i Joba no tonga voalohany ao an-tsaintsika. Tsy vitan'ny hoe very ny hareny rehetra (Joba 1:14-17), fa nafoiny koa ny zanany (Joba1:18,19) sy ny fahasalamany (Joba 2:7). Ny vadiny aza dia niezaka nandresy lahatra azy hiteny ratsy an'Andriamanitra ka ho faty (Joba 2:9).
Taty aoriana kely, dia nisy namana telo tonga hipetraka hiaraka amin'i Jobs. ialanjona tamin'ny fahitana azy izy ireo ka tsy niteny na inona na inona nandritra ny fito andro fa nipetraka niaraka taminy fotsiny (Joba 2:13). Nony farany, rehefa niloa-bava izy ireo, dia niezaka nanome fanazavana araka ny fijerin'olombelona ny amin'izay mety ho antony nahatonga ny loza toy izany tamin'i Jobs. Mainka nampitombo tsy nahy ny fahorian'i Joba anefa ny nanaovan'ireo namany ireo izany. Nanome tsiny azy ny namany telo, ary nilaza fa tsy maintsy ho nisy fahotana miafina teo amin'ny fiainany, izay tokony hibebahany (Jôba 8, 11, 15); ary nilaza mihitsy aza izy ireo hoe: "!zany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra." - Jôba 18:21.
Inona no navalin'i Joba? Vakio ny Joba 19:23-27 sy ny Jôba 23:8-12. Na dia nisy aza ireo Ioza nitranga nanodidina an'i Joba, ary tsy takany ny momba izany, dia nitoetra ho mahatoky izy ary nijoro tsara. Tsy nanome tsiny an'Andriamanitra na nanozona Azy izy. Rehefa nalaim-panahy hanome tsiny an'Andriamanitra izy, dia nilaza hoe: "Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah." Joba 1:21. Isika koa dia miaina eo anivon'ny tolona tahaka izany. Mampahory antsika amin'ny fanaintainana, ny fijaliana, ny famoizana ary ny zava-tsarotra i Satana; planiny mba hanimbana ny sarin'Andriamanitra be fitiavana ao an-tsaintsika izany. Amin'ny fotoana tahaka izany, dia iray ihany amin'izao roa izao no valintenintsika: manome tsiny sy manda an'Andriamanitra na mifikitra Aminy amin'ny herintsika rehetra. Na dia mivaivay aza ny ady manodidina antsika, dia aoka hotsaroantsika fa fizahan-toetra vetivety fa tsy haharitra ny olantsika, raha eo anatrehan'ny mandrakizay (2 KOr. 4:16-18). Zava-dehibe kokoa no ao ambadik'izay hitantsika eto ankehitriny, ary anankiray amin'ireo fihaikana lehibe indrindra manoloana ny mpino ny fitokiana an'Andriamanitra na dia ao anatin'ny fotoana mikitroka indrindra aza. Efa nasehon'Andriamanitra antsika tamin'ny fomba marobe fa tens tiany isika. !zany fahamarinana lehibe izany no tsy maintsy fikirintsika -ny fitiavan'Andriamanitra - eny fa na dia tsy tsapantsika eo no ho eo aza izany.
Raha ao anatin'ny fotoan-tsarotra ianao amin'izao fotoana izao, dia mihazakazaha manatona an'Andriamanitra. Raiso ny Baiboiinao sy ny kahie iray, ary miaraha amin'Andriamanitra eny anivon'ny zavaboary. Soraty ao amin'ny fandraisanao naoty ny Rôm. 5:3-5 ary diniho ny hafatra samihafa ao amin'ireo andininy ireo; minoa ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiahiany anao no zavatra azo antoka sy mafy orina indrindra eo amin'ny fiainanao.