Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.

Daty
Alakamisy 11 June 2026

Efa nisy fotoana ve  nanirianao hahita an'i Jesosy tamin'ny fotoana nahakivy anao? A1ao sary an-tsaina hoe ao anatin izao nofy izao ianao. "Toy ny tao anatin'ny fahakiviana lalina aho, nanakona ny tavako tamin'ny tanako, ary izao no tao an-tsaiko: Raha teto an-tany i Jesosy dia ho nanatona Azy aho, hiantoraka eo an-tongony ary hitantara Aminy ny fahoriako rehetra. Tsy hanosi-bohon-tanana ahy Izy fa hiantra ahy, dia ho tia sy hanompo Azy mandrakizay aho. Tamin'izay indrindra no nivoha ny varavarana, ary nisy olona tsara tarehy sy bikana niditra. Nijery ahy tamim-pangorahana izy ary nilaza hoe: 'maniry ny hahita an'i Jesosy ye ianao? Eto Izy ary azonao atao ny mahita Azy raha irinao. Ento izay anananao rehetra ka manaraha ahy." "Fifaliana tsy hay tononina no tsapako raha nandre izany; nangoniko ireo fananana madinika nananako sy ny zava-tsarobidy rehetra, ary nandeha nanaraka Hay mpitari-dalana ahy aho. Nentiny teo amin'ny tohatra iray miakatra sy toa marefo aho. Rehefa nanomboka niakatra ireo zana-tohatra aho, dia nanome toromarika ahy izy mba hifantohan'ny masoko eny ambony andrao ho fanina aho ka hianjera. Marobe ireo hafa izay nandeha tamin'io fiakarana sarotra io no nianjera raha tsy mbola tonga teny amin'ny farany akory. Tonga teny amin'ny zana-tohatra farany izahay nony farany ary nijoro nanoloana ny varavarana. Teo, dia nilaza tamiko ilay mpitari-dalana ahy mba hamela ireo zavatra rehetra nentiko. Napetrako tamim-pifaliana izany; nosokafany ny varavarana ary nasainy niditra aho. Vetivety teo dia nijoro teo anatrehan'i Jesosy aho. Tsy misy isalasalana fly amin'io endrika kanto io. Tsy misy manana fahatsaram-panahy sy fiandrianana mamirapiratra tahaka izany ankoatra Azy. Rehefa nibanjina ahy izy, dia fantatro avy hatrany fa fantany avokoa ireo toe-javatra teo amin'ny fiainako sy ny eritreritro rehetra ary ny fihetsehampoko. Niezaka niery ny Fijeriny aho, satria tsy nahazaka ny masony mandinika. Saingy nanatona ahy tamin-tsiky Izy, ary nametraka ny Tanany teo amin'ny lohako ka nanao hoe: 'Aza matahotra.' Nampientanentana ny foko tamin'ny fifaliana tsy mbola niainako hatrizay ny fandrenesana ny Feony mamy dia mamy. Faly loatra aho ka tsy nahaloa-bava; fifaliana tsy hay ambara no nameno ahy ka niankohoka teo an-tongony aho. Raha niankohoka teo tsy nanan-kery aho, dia hatsaran-tarehy sy voninahitra no nandalo teo imasoko, ary toy ny efa tonga tao amin'ny toerana azo antoka sy feno fiadanan'ny lanitra aho. Rehefa elaela dia niverina ny heriko ka nitsangana aho. Mbola nijery ahy hatrany ny masom-pitiavan'i Jesosy, ary nameno fifaliana ny fanahiko ny Tsikiny. Nameno ahy tamin'ny fanajana masina sy fitiavana tsy hay lazaina ny Fanatrehany. (...) Nanome ahy fanantenana (...) sy finoana io nofy io. (...) Ary nanomboka namirapiratra teo amin'ny fanahiko izay tao anatin'ny haizin'ny alina ny hatsarana sy ny fahatsoran'ny fitokiana amin'Andriamanitra." tt. 79-81. Ao anatin'ireo olona sy fahavoazana eo amin'ny fiainana, dia ilaintsika ny mifantoka amin'i Jesosy sy amin'izay asehony antsika momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Inona no fanantenana azonao raisina ho anao manokana, ankehitriny, avy *amin'izay voasoratra ao amin'ny Rom. 8:18,28? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal