Alao sary an-tsaina ny vahoaka betsaka teo amoron-dranomasin'i Galilia. Niandry ny hiverenan'i Jesosy teo izy ireo, hatry ny vao mangiran-dratsy, ary rehefa nidina avy ao an-tsambokely i Jesôsy dia nifanizina nanodidina Azy izy ireo ka nanaraka Azy hatrany an-tananan'i Kapernaomy. Tampoka teo, dia indro i Jairo, mpanapaka iray tao amin'ny synagoga, nanatona an'i Jesôsy ary niangavy Azy mba hiaraka aminy hanasitrana ny zanany vavy.
Anisan'ireo tao anatin'ny vahoaka betsaka ny vehivavy iray izay narary efa an-taona maro. Efa nandany ny volany rehetra tamin'ny mpitsabo ity vehivavy ity, "nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza." - Mar. 5:26. Efa ren'io vehivavy io ny amin'ity Lehilahy manana ny maha Izy Azy avy any Galilia ity, ary fano fanantenana ny fony raha nanangona ny hery kely sisa nananany izy ka nandao ny fonenany io maraina io mba hiaraka amin'ireo vahoaka marobe. Toy ny efa hanempotra azy ny fifanizinan'ny vahoaka raha nihananatona an'I Jesosy izy. Kanjo, tazany tao anatin'ny vahoaka be nifanety sy nifanosika i Jesôsy . Nankahery tena izy, nanao hoe: "Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho." - Mar. 5:28.
Vakio ny Mar. 5:21-34. Inona no nitranga teto, ary inona ny lesona azontsika tsoahina?
Ity toe-javatra ity no mampiseho ny fiahian'i Jesôsy sy ny fangorahany ireo marary sy mahatsiaro ho irery, ary ireo izay matetika no very ao anatin'ny vahoaka betsaka. Maro tamin'io andro io no nifampikasoka akaiky tamin'i Jesôsy , raha nanaraka Azy tao anatin'ny vahoaka be, saingy vehivavy anankiray ihany no nanatsotra ny sandriny hikasika Azy mba handray ny fitahiana nilainy fatratra. Na izany aza, dia tsy ny fikasihany an'i Jesôsy no nahasitrana azy fa ny finoany (Mar. 5:34). "Hain'ny Warm,* ny manavaka ny fanendrena avy amin'ny finoana sy ny fikasohana kisendrasendra eo amin'ny vahoaka tsy mihevitra izany." - IFM, t. 363 (ed. 1983). Tsy nisy hery manokana tao amin'ny fitafian'i Jesosy; fa ny finoan'ilay vehivavy sy ny safidiny ny hanatsotra ny tazany hikasika Azy no nahasitrana an-dravehivavy.
Azon'io vehivavy osa io natao ny nijanona tany an-tranony, teo am-pandriany, tamin'io maraina io, tao anatin'ny fijaliany sy ny fahakiviany. Tsy izany anefa no nataony, fa nanapa-kevitra ny hitady an'i Jesosy izy ary nanantena fa hositraniny. Tsy ampy azy ny nahita an'i Jesosy teny Iavidavitra, fa nanatona Azy akaiky mihitsy izy.
Miantso antsika hanao toy izany koa i Jesôsy ankehitriny. Hoy lzy: "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo." - Mat. 11:28,29.
Ahoana no nanehoan'ity vehivavy nila fanampiana lehibe ity ny hevitra voalazan'ny Rôm. 5:3-5? Manao ahoana no isehoan'izany eo amin'ny fiainanao?