Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - I Jesôsy sy i Maria

Daty
Alakamisy 19 December 2024

Vakio ny Jao. 20:11-13. Inona no mitranga eto izay maneho ny antony tsy nahatakaran'i Maria ny hevitr'llay fasana foana?

Ao amin'ny Jao. 20:2 no niresahana farany momba an'i María, izay nihazakazaka nitantara tamin'i Petera sy i Jaona ny amin'ilay fasana foana. Nihazakazaka tany amin'ny fasana izy roa lahy, ary fotoana elaela taorian'izy ireo dia niverina tany amin'ny fasana i Maria. Niala teo amin'ny fasana i Petera sy i Jaona rehefa nandinika tsara ny zava-nisy. I Maria kosa rehefa niverina dia nijanona teo nitomany. Inoana fa be tokoa izay ranomaso narotsak'i Maria izay tao anatin'ny andro vitsivitsy lasa. Nanampy trotraka ity toe-javatra ity. Niondrika nitsirika tao amin'ny fasana izy.

Taitra izy nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo amin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesôsy. Dia nanontany an'i Maria ireo hoe: "Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany?". Tamin'alahelo no namaliany azy hoe: "nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy."

Vakio ny Jao. 20:14-18. Inona no nampiova ny zavatra rehetra ho an'i Maria?

Nitodika i Maria, ny masony vonton-dranomaso, ary nahita olona nijoro avy teo aoriany izy. Nanao teny mitovy amin'ny an'ireo anjely ity Olon-tsy fantatra ity, nanao hoe: "Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Iza no tadiavinao?" Jao. 20:15. Noheveriny fa mpiandry saha no niresahany ka nangataka ny fanampiany izy hitady ny fatin'i Jesôsy.

Izao fotsiny no nolazain'llay Olon-tsy fantatra: "Ry Maria!". Fanambarana fohy nanova izao tontolo izao izany. Taitra i Maria; tampoka teo dia fantany fa i Jesôsy nitsangana tamin'ny maty no niresaka taminy. Ninia niteny tamin'i Maria i Jesôsy mba tsy hihazona Azy satria tsy maintsy hiakatra ho any amin'ny Rainy aloha Izy. Fa ny anjarany kosa dia ny mandeha manambara amin'ny mpianatra ny tenin'i Jesôsy hoe: "Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo." - Jao. 20:17. Notanterahin'i Maria ny asa nanirahana azy. Nambarany tamin'ny mpianatra fa nahita ny Tompo izy. ary notantarainy koa ny tsipiriany rehetra tamin'ny resaka nifanaovany tamin'i Jesôsy (Jao. 20:18).

Vakio ny 1 Kôr. 15:12-20. Araka ny hevitr'i Paoly, inona no ilantsika ny finoana amin'ny maha-Kristianina antsika raha tsy natsangana tamin'ny maty i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal