Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 20 December 2024

Vakio ny IFM, toko 79: "Vita", toko 81: "Nitsangana ny Tompo", toko 82: "Nahoana hianao no mitomany?". Jereo koa ny boky Risen: Finding Hope in the Empty Tomb (Nampa, ID: Pacific Press, 2020), nosoratan'i Clifford Goldstein.

"Naniry mafy ny hamonjy an'i Jesôsy i Pilato. Hitany anefa fa tsy afaka nanao izany izy, raha notazoniny ihany ny toerany sy ny voninahiny. Naleony nisafidy hanao sorona ain'olona tsy manan-tsiny, toy izay ho very ny fahefany araka izao tontolo izao. Firifiry no manao sorona toy izany ny foto-pinoana mba hialana amin'ny fatiantoka na ny fahoriana. Manondro lalana iray ny feon'ny fieritreretana sy ny adidy. ary manondro lalan-kafa ny tombontsoan'ny tena. Manosika mafy ho amin'ny lalana ratsy ny riaka, koa izay manao marimaritra iraisana amin'ny ratsy dia voafaoka any anatin'ny haizina matevin'ny heloka." - IFM, tt. 614,615 (ed. 2023).

"Tsy natolotr'i Kristy ny ainy raha tsy vitany ny asa izay nahatongavany; ka raha niala ny fofon'ainy dia niantso Izy hoe: "Vita". Azo ny fandresena. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena. Natsatony teny amin'ny fitoerana avo mandrakizay ny fanevany amin'ny maha-Mpanafika mandresy Azy. Moa ve tsy nisy fifaliana teo amin'ny anjely? Niara-nihoby ny fandresen'ny Mpamonjy ny lanitra manontolo. Resy i Satana, ary fantany fa very ny fanjakany.

"Ho an'ny anjely sy ho an'ireo izao tontolo izao tsy lavo dia nisy heviny lalina ny antsoantso hoe: "Vita". Ho azy, toy ny ho antsika koa, dia nilaza izany fa tanteraka ny asa lehibe fanavotana. Nandray anjara niaraka tamintsika tamin'ny vokatry ny fandresen'i Kristy izy." IFM, t. 631.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Manao ahoana ny tokony ho fomba fandraisanao fanapahan-kevitra mba tsy hanaovanao fahadisoana tahaka an'i Pilato?

2. Nahoana i Jesôsy no tsy maintsy maty teo amin'ny toerantsika, nisolo antsika? Nahoana no ilaina ny nahafatesany raha tiantsika ny ho voavonjy? Inona ireo toko sy andininy manohana ny valin-teninao?

3. Manao ahoana ny fifandraisan'ireo porofo ara-Baiboly sy ireo porofo ara- tantara mikasika ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty? Izany hoe, inona ny porofo ara-tantara manamarina ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty?

4. Diniho izay voalaza ao amin'ny 1 Kôr. 15:12-20. Raha toa ka miakatra avy hatrany any an-danitra ireo izay "efa nodimandry ao amin'i Kristy", ahoana no mampitombina ny hoe raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy "dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy"? Nahoana ny tenin'i Paoly eto no manamafy ny fahamarinana fa matory ny maty mandra-pitsangany amin'ny maty amin'ny fiverenan'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal