Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Daty
Sabotsy 13 December 2025

MAHATOKY ANDRIAMANITRA!

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 21:43-45; 2 Tim. 2:11-13; Jos. 23; Apôk. 14:10,19; Deo. 6:5.

Tsianjery:

"Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehôvah tamin'ny taranak'Isiraely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany." - Jos. 21:45.

Rehefa nandaha-teny teo anatrehan'ny vahoaka Amerikanina i John F. Kennedy nandritra ny lanonam-pianianana nametrahana azy ho filoham-pirenena, tamin'ny 20 Janoary 1961, dia voanteny 1366 isa monja no noteneniny, kanefa namela marika tsy hay fafana tao an-tsain'ny Amerikanina izany. Hoy izy raha nandrisika ny fireneny hifantoka amin'ny adidiny fa tsy ny amin'ny tombontsoany: "Andeha isika hitondra ity tany malalantsika ity. amin'ny fieritreretana madio, izay hany valisoa azo antoka ho antsika, ka amin'ny farany dia ny tantara no hitsara ny asantsika. Aoka hangataka ny fitahiana sy ny fanampian Andriamanitra isika, nefa aoka koa ho fantatsika fa eto amin'ity tany ity dia ny asan'Andriamanitra no tena asantsika."

Rehefa tsapan'i Josoa, ilay mpitarika efa zokiolona teo amin'ny Isiraelita, fa akaiky ny fiafaran'ny androny, dia nanapa-kevitra ny hiresaka amin'ireo lehibe mpitarika ny firenena sy ny vahoaka Isiraelita izy (Josoa toko 23 sy 24). Mifantoka kokoa amin'ny hoavy sy ny fomba tokony hivavahana amin'Andriamanitra, dia Izy irery ihany, ny Jos. 23. Mamerina mandinika ireo asa mahatoky nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa kosa ny Jos. 24, mba handrisihana ny olona hanapa-kevitra ny amin'lzay tokony hivavahana: Jehôvah irery ihany.

Hiarahantsika mandinika amin'ity herinandro ity ny lahateny voalohany nataon'i Josoa, izay iverenany amin'ny tantaran'ny fandresen'ny Isiraely, sady hanoritany koa ny lalana mankany amin'ny fahombiazan'ny Isiraely ho avy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 20 Octobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal