MAHATOKY ANDRIAMANITRA!
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 21:43-45; 2 Tim. 2:11-13; Jos. 23; Apôk. 14:10,19; Deo. 6:5.
Tsianjery:
"Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehôvah tamin'ny taranak'Isiraely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany." - Jos. 21:45.
Rehefa nandaha-teny teo anatrehan'ny vahoaka Amerikanina i John F. Kennedy nandritra ny lanonam-pianianana nametrahana azy ho filoham-pirenena, tamin'ny 20 Janoary 1961, dia voanteny 1366 isa monja no noteneniny, kanefa namela marika tsy hay fafana tao an-tsain'ny Amerikanina izany. Hoy izy raha nandrisika ny fireneny hifantoka amin'ny adidiny fa tsy ny amin'ny tombontsoany: "Andeha isika hitondra ity tany malalantsika ity. amin'ny fieritreretana madio, izay hany valisoa azo antoka ho antsika, ka amin'ny farany dia ny tantara no hitsara ny asantsika. Aoka hangataka ny fitahiana sy ny fanampian Andriamanitra isika, nefa aoka koa ho fantatsika fa eto amin'ity tany ity dia ny asan'Andriamanitra no tena asantsika."
Rehefa tsapan'i Josoa, ilay mpitarika efa zokiolona teo amin'ny Isiraelita, fa akaiky ny fiafaran'ny androny, dia nanapa-kevitra ny hiresaka amin'ireo lehibe mpitarika ny firenena sy ny vahoaka Isiraelita izy (Josoa toko 23 sy 24). Mifantoka kokoa amin'ny hoavy sy ny fomba tokony hivavahana amin'Andriamanitra, dia Izy irery ihany, ny Jos. 23. Mamerina mandinika ireo asa mahatoky nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa kosa ny Jos. 24, mba handrisihana ny olona hanapa-kevitra ny amin'lzay tokony hivavahana: Jehôvah irery ihany.
Hiarahantsika mandinika amin'ity herinandro ity ny lahateny voalohany nataon'i Josoa, izay iverenany amin'ny tantaran'ny fandresen'ny Isiraely, sady hanoritany koa ny lalana mankany amin'ny fahombiazan'ny Isiraely ho avy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 20 Octobra.