Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Daty
Sabotsy 13 December 2025

MAHATOKY ANDRIAMANITRA!

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 21:43-45; 2 Tim. 2:11-13; Jos. 23; Apôk. 14:10,19; Deo. 6:5.

Tsianjery:

"Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehôvah tamin'ny taranak'Isiraely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany." - Jos. 21:45.

Rehefa nandaha-teny teo anatrehan'ny vahoaka Amerikanina i John F. Kennedy nandritra ny lanonam-pianianana nametrahana azy ho filoham-pirenena, tamin'ny 20 Janoary 1961, dia voanteny 1366 isa monja no noteneniny, kanefa namela marika tsy hay fafana tao an-tsain'ny Amerikanina izany. Hoy izy raha nandrisika ny fireneny hifantoka amin'ny adidiny fa tsy ny amin'ny tombontsoany: "Andeha isika hitondra ity tany malalantsika ity. amin'ny fieritreretana madio, izay hany valisoa azo antoka ho antsika, ka amin'ny farany dia ny tantara no hitsara ny asantsika. Aoka hangataka ny fitahiana sy ny fanampian Andriamanitra isika, nefa aoka koa ho fantatsika fa eto amin'ity tany ity dia ny asan'Andriamanitra no tena asantsika."

Rehefa tsapan'i Josoa, ilay mpitarika efa zokiolona teo amin'ny Isiraelita, fa akaiky ny fiafaran'ny androny, dia nanapa-kevitra ny hiresaka amin'ireo lehibe mpitarika ny firenena sy ny vahoaka Isiraelita izy (Josoa toko 23 sy 24). Mifantoka kokoa amin'ny hoavy sy ny fomba tokony hivavahana amin'Andriamanitra, dia Izy irery ihany, ny Jos. 23. Mamerina mandinika ireo asa mahatoky nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa kosa ny Jos. 24, mba handrisihana ny olona hanapa-kevitra ny amin'lzay tokony hivavahana: Jehôvah irery ihany.

Hiarahantsika mandinika amin'ity herinandro ity ny lahateny voalohany nataon'i Josoa, izay iverenany amin'ny tantaran'ny fandresen'ny Isiraely, sady hanoritany koa ny lalana mankany amin'ny fahombiazan'ny Isiraely ho avy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 20 Octobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal