Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 14 March 2026

Hodinihana mandritry ny herinandro: Kol. 3:18-4:6; Efes. 5:22-25,33; Ohab. 22:6,15; 1 Pet. 2:16; 1 Tes. 5:17.

Tsianjery:

"Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." Kol. 4:6

Miatrika zava-tsarotra samy hafa ny olona rehefa miara-monina sy miara-miasa akaiky. Ny tsy fitovian-kevitra dia mety hiteraka tsy fifankahazoana, eny ady mihitsy aza. Arakaraka ny maha ety ny fifandraisana no maha zava-dehibe ny hifanarahan'ny tsirairay tsara ao anatin'izany fifandraisana izany.

Mazava loatra fa ao anivon'ny tokantrano no ahitana ny fifandraisana ety indrindra. Misy fotoana iantsoana ny tokantrano hoe "orinasan'ny mpianakavy." Fomba iray mahaliana hoenti-manoritsoritra ny fomba fiasan'ny mpianakavy ao an-tokantrano izany. Misy fitoviana tokoa eo amin'ny fomba fitantanana orinasa sy ny fitondrana tokantrano. Tokony hisy ny fifanarahana ankapobeny eo amin'ny soatoavina sy ny tanjona hokendrena. Tokony hifanara-tsaina ny rehetra ary hanao ny anjara asany tsara mba hampizotra ny toe-javatra. Azo ampiharina amin'ny fiangonana koa izany fitsipika izany, amin'ny maha fianakaviana lehibe ny fiangonana.

Manome fitsipika manan-danja tokoa i Paoly ao amin'ny andalan-teny ataontsika tsianjery amin'ity herinandro ity, mahakasika ny fomba tsara indrindra mampirindra ny fiainan'ny ankohonana kristianina, Koa satria tokony hofehezin'ny fitsipika ara-Baiboly ny tokantranon'ireo Romanina tamin'ny andron'i Paoly izany. Manolotra fitsipika tokantrano kristianina, dia tokony ho samy hafa amin'ny sarobidy koa i Paoly, izay hitondra soa ho antsika ao anatin'ny fifandraisana samihafa ifandraisantsika amin'ny hafa, na eo anivon'ny tokantrano izany na any ivelany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 21 Martsa.
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal