Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.

Daty
Talata 17 March 2026

Vakio ny Kol. 3:22-25 sy ny Kol. 4:1. Inona no torolalana omena ny mpanompo? Inona no fitsipika omena eto mahakasika ny fifandraisana araka asa ankapobeny?

Ampiasain'ny olona amin'izao fotoana izao indraindray ny resaka momba ny fanandevozana mba hanilihana ireo torohevitry ny Baiboly tamin'ny lasa, na hanaovana tsinontsinona tanteraka ny Soratra Masina mihitsy aza. Amin'izany anefa, dia tsy jeren'izy ireo mihitsy ny tontolon-kevitra ara-tantaran'ny Isiraely tamin'ny Testamenta Taloha sy ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao. Noforonina araka ny endrik'Andriamanitra ny olombelona, ary nohariana hanana fahalalahana, tahaka ireo voary rehetra manan-tsaina izay noforonina. Noraran'ny lalan'i Mosesy ny hitanana ny Isiraelita iray ho andevo mandrakizay (Deo. 15:12) ka notendrena ho enin-taona farafahabetsany ny fotoana hanaovana fanompoana ho fanefana trosa (Eks. 21:2-6; Lev. 25:39-43). Ny fanandevozana ao amin'ny Baiboly anefa, na dia manelingelina ny fisainantsika moderina aza, dia tsy tahaka ny fanandevozana feno fomba fanao mampivarahontsana toy ny tany amin'ny tontolo tandrefana, izay loza sy heloka bevava manohintohina ny maha olona.

Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao indray, dia tsy maintsy niaina tao anatin'ny rafitra napetraky ny lalana romanina ny fiangonana, izay nanome lalana ny fananana andevo. "Tsy tahaka ny fanandevozana moderina kosa ny lalåna romanina izay nanome zo sy tombontsoa maro ho an'ny andevo, ary azo inoana fa ho nanakana ny fandrosoan'ny filazantsara ny fikasana handrodana izany fomba fanao izany. Clinton Wahlen, "Culture, Hermeneutics, and Scripture: Discerning What Is Universal," in Frank M. Hasel, ed., Biblical Hermeneutics: An Adventist Approach (Silver (Silver Spring, MD: Biblical Research Institute/Review and Herald Academic, 2020), t. 166.

Raha ny marina, tao anatin'ny fiangonana, tsy tahaka ny tao amin'ny fanjakan-dehibe romanina ankapobeny, ny adidy voalohan'ny andevo na ny mpanompo dia miantefa amin'ny Tompo. Ary nomena torolalana ny tompon'izy ireny mba hitondra azy ara-drariny, "satria fantatrareo fa hianareo koa mba manana Tompo any an-danitra." - Kol. 4:1. Ankoatra izany, dia nanome torolalana an'i Filemona I Paoly mba tsy hitondra an'i Onesimosy ho toy ny andevony intsony fa ho toy ny rahalahiny (Filem. 16). Ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao, dia antsoina hoe mpanompon'Andriamanitra ny mpino (jereo ohatra ny Sal. 34:22; Lio. 17:10; 1 Pet. 2:16).

Na dia tsy tiantsika aza ny sasany amin'ireo tontolon-kevitra ara-kolontsaina nanoratana ny lahatsoratra sasany ao amin'ny Baiboly, dia tsy maintsy manaiky ny fahefan'izany andalan-teny izany hatrany isika. Raha tsy izany mantsy dia mametraka ny tenantsika sy ny kolontsaintsika ho ambonin'ny Soratra Masina isika. Izao no safidy tsara indrindra: ny mandinika izay rehetra voalazan'ny Balboly mikasika ny lohahevitra iray alohan'ny hisintonana fehin-kevitra ny amin'izay tian'ny Baiboly hampitaina momba izany.

Diniho ny fomba azo ampiharana ireo toko sy andininy ireo eo amin'ny fifandraisanao araka asa. Ahoana no mety hanampian'ny fitsipika voalaza ao anao, amin'ny maha mpampiasa na mpiasa anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal