Ellen G. White, "The Laodicean Church", t. 125, ao amin'ny The Advent Review and Sabbath Herald, 30 Septambra 1873.
"Miaro ny vahoakany tsy hamerina indray ireo fahadisoana tamin'ny lasa ny Tompo. Efa nisy mandrakariva ireo mpampianatra sandoka izay nijoro tamin'ny foto-pampianarana diso sy ny fanao tsy masina. Niasa tamin'ny foto-kevitra diso izy ireo, izay nataony tamin'ny fomba tsara sy manintona kanjo mamitaka; niasa mafy izy ireo mba hamitahana na dia izay voafidy aza, raha azo atao."-ARSH, 7 Janoary 1904.
"Irin'ny Tompo raha hozahan-toetra ny hevitsika, mba hahitantsika fa ilaina indrindra ny mandinika lalina ny Tenin'Andriamanitra velona, mba hahafantarantsika raha tena mitoetra ao amin'ny finoana isika na tsia. Maro amin'ireo mitonona ho mino ny fahamarinana no mipetraka amim-piadanana sy mihevitra hoe: 'Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory."- CWE, t. 36.
"Mitoetra ao anatin'ny fahadisoan-kevitra ny olona na dia efa aseho azy mazava aza ny fahamarinana. Nefa tsy handeha ao amin'ny haizina sy ny fahajambana izy ireo, na hankamamy ny hevi-diso, raha toa ka manaiky hitondra ny fampianarany eo amin'ny tenin'Andriamanitra fa tsy hamaky izany araka ny fampianarany mba hanamarinany ny heviny. Maro no manazava ny Soratra Masina araka ny heviny manokana ka mamery ny tenany sady mamitaka ny hafa amin'ny fandikana diso ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra. Amin'ny fo mietry no tokony handinihantsika ny Tenin'Andriamanitra. Aoka hailika izay mety ho fitiavan-tena rehetra sy ny faniriana te hiavaka. Aoka tsy hoheverina ho tsy mety diso ireo hevitra nofikirina sy nankamamiana hatry ny ela."- CWE, tt. 36, 37.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Vakio indray ny 2 Kor. 10:1-6. Inona ny paik’ady ampiasain'i Paoly hiatrehana ireo "ady" ara-panahy ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra? Ahoana no hampiharantsika izany eo amin'ny ady ara-panahy atrehintsika?
2. Ambaran'ny Baiboly fa mialoha ny hiavian'ny farany dia ho maro ireo mpampianatra sandoka hanao izay hialan'ny olona amin'ny fahamarinana. Inona no azon'ny fiangonanao atao mba tsy hahatonga ny mambra ho resy lahatr'ireo mpampianatra sandoka, izay mety ho ao anatin'ny fiangonana ihany aza? Nahoana izany no manan-danja indrindra ho an'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovina ny fiangonana?
3. Nahoana i Paoly no nihevitra fa ilainy ny nirehareha ny amin'ireo fahoriana maro (2 Kor. 11:16-33). Ary inona ny hevitry ny hoe "mirehareha ny amin'i Jehôvah "?
4. Nahoana no zava-dehibe ny handinihan'ny mambran'ny fiangonana tena mba hahitany raha toa izy mitoetra ao amin'ny finoana na tsia (2 Kor. 13:5)? Inona ny fiovana haterak'izany?